- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Fitsipi-pitondrantena amin'ny rehefa mibilaogy?

Sokajy: Malezia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2008)

Taorian'ny fisavorovoroana be teo amin'ny bilaogy Maleziana, nanolo-kevitra [1] ny Minisitry ny Atitany, Datuk Seri Syed Hamid Albar vao haingana fa tokony hanangana fitsipika momba ny fitsipi-pitondrantena azy ireo manokana ny bilaogera mba hiantohana ny maha-tompon'andraikitra sy izay rariny amin'ny asa soratr'izy ireo. Nanamafy ny maha-zava-dehibe izany i Syed Hamid, izay nanokatra ny Fihaonamben'ny Bilaogera taona 2008 satria tsy manana fahalalana momba ny asa fanaovan-gazety ny ankamaroan'ny bilaogera.

Nanolo-kevitra ny minisitry ny atitany izay miaiky ny maha-“fitaovana matanjaka” ny bilaogy afaka mitarika sy mamolavola ny fomba fijerin'ny mpamaky ny bilaogy, fa tsy tokony ho endrika lalàna voafetra ilay fitsipika, fa fitsipika hajaina an-tsitrapo.

Voalaza fa nilaza izao manaraka izao [2] i Syed Hamid:

Blogging is indeed coming of age. These are exciting times and even the king of bloggers (Tun) Dr Mahathir Mohamad [3] is enjoying it.

Tonga tokoa izao ny fotoana ibilaogiavana. Fotoana mampientam-po izany ary na ny mpanjakan'ny bilaogera (Tun) Dr Mahathir Mohamad [3] aza mba mankafy izany.

Nilaza izao tao amin'ny bilaoginy  [4]ny filohan'ny Firaisambe Nasionalin'ny Bilaogera (All-Blogs protem) sady mpanao gazety no bilaogera, Ahirudin Atan,:

I think it is not something that is easy to initiate, let alone accomplish, but I think it's a good thing to have.

Of course, not everyone thought bloggers should do it. One participant said it was akin to taking a step closer towards censoring the blog. On the contrary, I responded. A Code of Ethics would act a set of guidelines on how citizen journalists and citizen media behave.

Heveriko fa tsy zavatra mora atomboka izany, avelao ho tanteraka, heveriko fa zavatra tsara ananana izany.

Mazava ho azy, tsy ny rehetra no mihevitra fa tokony hanao izany ny bilaogera. Nilaza ny mpandray anjara iray fa te-hanakaiky kokoa ny fibahanana bilaogy izany. Mifanohitra amin'izany kosa hoy aho namaly: Ny fitsipi-pitondrantena dia andiana toro-lalana momba ny fomba fitondrantenan'ny olon-tsotra mpanao gazety sy ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra.

Toa nilaza, [2] hono, i Ahirudin Atan, izay mpandray fitenenana tamin'ny kaonferansa fa tokony hametraka ny fitsipi-pitondrantenany manokana tsy misy fitsabatsabahan'ny fanjakana ny bilaogera. Tany Indonezia nanatrika ny Hetsika Pesta Blogger [5] ihany koa i Jeff Ooi, Maleziana mpanao politika lasa bilaogera, no sady filoha lefitry ny All-Blog protem ihany koa.