- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mpikatroka sady bilaogera Amerikana notànana, ary noraofina ny solosainy sy ny findainy

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)

Vaovao farany: Afaka niresaka tamin'i Travis Randall aho nandritra ny minitra vitsy, ary nilaza tamiko izy fa naverin'ireo mpitandro filaminana ny solosainy sy ny findainy, alohan'ny hiverinany any Londra.
Notazonina nandritra ny adiny 3 izy ary avy eo nanomboka tamin'ny misasakalina hatramin'ny 8 maraina. Nandritra izany fotoana izany, dia nalain'ny mpitandro filaminana ny findainy sy ny solosainy.

Ny alina lasa teo, ny Talata 1 septambra 09, notazonin'ny mpitandro filaminana nandritra ny adiny roa tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Cairo ilay mpikatroka sady bilaogera Amerikana Travis Randall [1], izay nandray anjara tamin'ny diabe madinika manohana an'i Gaza tany am-piandohan'ity taona ity. Tsy nanome fanazavana momba ny fitazonana azy ny mpitandro filaminana . Ankoatra izany, dia nogiazan'izy ireo ny solosaina finday sy ny findain'i [2] Randall.

travis randallTamin'ny tokony ho tamin'ny iray sasany maraina, nilazana i Randall fa tsy nahazo alalana ho any Ejipta izy ary noterena hividy tapakila hiverenana any Londra ny ampitso maraina.

Ankehitriny, dia manatevin-daharana ireo solosaina finday hafa nogiazan'ny mpitandro filaminana vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenen'i Cairo ny solosainy. Tsara ho marihina fa nitranga voalohany tamin'ilay bilaogera Ejiptiana Wael Abbas [3] ity toe-javatra ity izay noraofina ihany koa ny solosaina findainy sy ny fananany [4].