- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Miady varotra amin'ny bilaogera hampitsahatra ny fanoherana ny governemanta

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Efa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
fares-31.jpg

“Ho ao ambadiky ny masoandro ianao” no fiteny nampiasain'i Dean Abdul Hadi, Inspektera Jeneralin'ny Fiarovam-panjakana ao Fayoum (Faritany Ejipsiana), raha nanadihady ilay bilaogera Ejipsiana AbdelRahman Fares izy tamin'ny zoma 25 Septambra 2009, izay mibilaogy ao amin'ny Lesany Hoa elKalm [1] (ny peniko no lelako).

Ora vitsivitsy talohan'izany, nanontany an'i Fares ihany koa ny major Tamer Adel mikasika ny fifandraisany amin'ny fitokonana izay hotontosain'y , mpirahalahy Miozolomana [2] sy ny antoko politika El-Ghad [3] amin'ny Oktobra 2009 – izay tsy fantatr'i Fares akory ny momba izany. Nandritra io fakàna am-bavany io, dia nanolotra toerana ara-politika an'i Fares ao amin'ny Antoko Nasionaly Demaokraty [4](antokon'ny fitondrana) ny major Tamer ary nampanantena hanondrotra azy ao amin'ny antoko, ho takalon'ny fialàna amin'ny asa hafa ao anatin'ny fiarahamonim-pirenena. Tolotra izay nolavin'i Fares.

Nilaza i Fares nandritra ny antso an-tariby [5] fa nametraka fanontaniana maromaro azy momba ny bilaoginy i AbdulHadi, ary nikitakita sy nandrahona azy hosamborina sy “ho ambadiky ny masoandro”, izay fiteny Ejipsiana ampiasaina mba handrahonana mafy olona iray fa higadra.