- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera nogadraina tao Nizeria

Sokajy: Nizeria, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

jonathan.elendu.jpg
Notanan'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-panjakana (SSS) tsy misy fiampangana, nanomboka ny Asabotsy 18 Oktobra 2008, ilay bilaogera Nizeriana monina any Etazonia, Jonathan Elendu, izay mibilaogy ao amin'ny Elendu Reports [1]. Nosamborina rehefa tonga [2] tao amin'ny seranam-piaramanidina Nnamdi Azikiwe, Abuja, avy any Etazonia i Elendu. Nohadihadiana ho nanao “asam-pampisaraham-bazana izy [3]” .

Mibilaogy raharahan-kolikoly, raharaha politika ary ny fahasimban'ny tontolo iainana any amin'ny vinanin'i Niger izay manankarena solika [4] iĀ Elendu. Voalaza fa voasambotra izy [5] mba hamaly fanontaniana mifandraika amin'ilay nolazaina fa ” olana amin'ny filaminam-pirenena [6]“. Araka ny voalazan'ny RSF [7] dia voampanga ho nandray anjara tamin'ny tranokalan'ny SaharaReporters [8] izy , izay nofaritan'ny manampahefana Nizeriana ho toy ny “asa fanaovan-gazetin'ady anaty akata.”

Tsidiho ny bilaogin'ny Nigerian Curiosity [2] izay mitantara misimisy kokoa momba ny fisamborana.