- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Navotsotra ilay bilaogera Maraokana Hassan Barhon 

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Navotsotra tamin'ny 1 Aogositra 2009 ilay bilaogera Maraokana Hassan Barhon [1]. Nahazo famotsoran-keloka feno avy amin'ny mpanjaka izy rehefa nandany dimy volana tany am-ponja. Nosamborina [2] i Hassan Barhon ny 25 Febroary 2009 noho ny famoahana raharahan-kolikoly mahatafiditra ny mpampanoa lalànan'ny mpanjakan'i Maraoka tao amin'ny fitsaràna avo any Tetouan. Voasazy higadra folo volana izy.