- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanonona fikambanana 60 ho mpitsikilon'ny “ady mandambolambo” ny minisiteran'ny fitsikilovana ao Iran

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)
iran-cartoon-cartoon_wSySo_20104
Vao haingana, dia lisitra ahitana fikambanana 60  [1]no navoakan'ny minisiteran'ny fitsikilovana Iraniana [2] izay miampanga azy ireo fa mazoto amin'ny ady mandambolambo atao amin'ny fitondrana Islamika ao Iran. Heverina ho heloka bevava ary voaràra ny fiarahamiasa amin'ireo fikambanana ireo sy ireo fampahalalam-baovao manana fifandraisana amin'ireo fikambanana ireo.

Araka ny filazan'ny minisiteran'ny fitsikilovana Iraniana, raisina ho heloka bevava ny fiarahamiasa amin'ny fampahalalam-baovao toy ny Radio Zamaneh [3], Radio Farda [4], Radio Israel [5], BBC [6] sy ny Voice of America [7].

Ny lisitra koa dia ahitana ny anaran'ny Berkman Center [8], Ford Foundation [9], Soros Foundation [10]sy ny Hivos [11] izay manohana ny tetikasa Global Voices [12] sy ny Global Voices Advocacy [13]. Na izany aza, dia efa voaràra ao Iran teo aloha ireo tranonkala roa ireo.

Niteraka fandinihana manerana izao tontolo izao ity hetsika avy amin'ny governemanta Iraniana ity. Marobe ireo fanadihadiana [14] sy tsikera [15] nivoaka tamin'ny gazetiboky, gazety ary fampitam-baovao. Nazava indray fa miezaka manakana ireo hetsika momba ny zon'olombelona ao Iran ny fitondrana Islamika. Hita mazava fa lasa marefo ny governemanta noho ny fahalalahana miteny sy ny demaokrasia.

Araka ny asehon'ny tatitra avy any Iran, nitombo haingana ny tsindry mihatra amin'ireo mpikatroka zon'olombelona, ​ny ​gazety, ireo mpikatroka aterineto sy ny fampitam-baovao. Ankoatra izany, nametraka rivotra mahatsiravina ho an'ny mpianatra, mpampianatra  [16]ao amin'ny oniversite ary ny sarangan'ny manam-pahaizana  [17]eo amin'ny fiarahamonina ny governemanta.