- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hanivana aterineto i Jordania

Sokajy: Jordania, Fitsipika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa nivoaka tamin'ny volana Janoary 2010)

Nanitatra ny lalàna mifehy ny fanontana printy sy ny famoahana ho ampiharina amin'ny haino aman-jery elektronika ny Fitsarana Ambaratonga Ambony, izay midika fa hanivana tranonkala sy bilaogy izy, manoratra ao amin'ny ArabCrunch [1], nilaza i Gaith Saqer fa,

empowers authorities to prosecute or impose fines on any electronic medium of Publishing from SMS to the Internet user from Twitter user, to facebook, to journalists, bloggers and editors for publishing online material that the law finds wrong.

manome fahefana ho an'ny manampahefana mba hanenjika na hametraka onitra amin'ny fitaovana elektronika rehetra famoahan-dahatsoratra, manomboka amin'ny SMS hatramin'ny mpisera aterineto, mpisera Twitter, facebook, mpanao gazety, bilaogera sy mpamoaka lahatsoratra noho ny famoahana lahatsoratra an-tserasera izay hitan'ny lalàna fa diso.

Nanonona an'i Basil Okur, tonian-dahatsoratry ny tranonkalam-baovao antserasera, Ammon [2] ao Jordania izy, milaza fa hanaiky ny lalàna izy saingy manontany tena hoe ahoana no hampiharana izany manoloana ireo fanamby ara-teknika atrehin'ny firenena

Ao amin'ny gazety an-tserasera Jordan Times [3], Hani Hazaimeh, nitatitra toy izao,

Electronic media editors and activists on Thursday said the recent Cassation Court's decision to subject news websites and electronic media to the Press and Publications Law will curb Internet freedom.

Nilaza ireo mpikatroka sy tonian-dahatsoratra amin'ny media elektronika tamin'ny Alakamisy fa hanakana ny fahalalahan'ny aterineto ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana vao haingana hampihatra ny lalàna mifehy ny gazety sy ny famoahana amin'ny tranonkalam-baovao sy ny media elektronika.

Ho hita eo ny fomba hanatanterahan'ny manampahefana Jordaniana ny lalàna.