- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny aterineto sy ny tolona ho an'ny fahalalaham-pitenenana iharan'ny famoretan'ny fitondrana

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanatrika ny seminera ara-pikarohana momba ny Media Nomerika ao anaty fitondram-panjakana mpamoritra [1] i Sami Ben Gharbia tany Copenhagen ny 10-11 Novambra 2008, izay mitondra ny lohateny hoe Tontolom-bahoaka, fandraisana andraikitra sivily ary fanentanana ara-politika (Pdf [2]) izay nokarakarain'ny Ivontoerana Danoà misahana ny Zon'Olombelona. [3]

Ity ny lahatsarin'ny [4] resadresaka nataon'i Mariam Memarsadeghi momba ny aterineto sy ny Tolona hahazoana miteny ao anaty Fitondrana mpamoritra. Mpanolo-tsaina ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona sy ny demaokrasia i Miriam sady mpisolovava mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ny fahalalahana sivily ao amin'ny tontolo Islamika.