- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Nanaovana bemidina ny tranon'ilay bilaogera, norobaina ny solosainy sy ireo kapila CD

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

zied-el-heni-blogger
Nanaovana bemidina [1] ny alin'ny 10 Aprily 2009 ny tranon'ilay mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Zied el-Heni [2]. Ao amin'ny bilaogin-dahatsoratra nivoaka androany (11 Aprily 2009), nanoratra i Zied [1] fa norobaina ny solosainy enti-tanana sy ireo kapilany CD izay misy ny asany rehetra:

I am sorry to inform you that my house has been raided and robbed on April 10, 2009. They stole my laptop and CDs which contain the efforts of my work day and night. I surrendered to pressure from friends, and reported the incident to the police, who took the usual procedures in such cases.

Malahelo aho milaza aminareo fa nanaovana bemidina ny tranoko ary norobaina ny 10 Aprily 2009. Nalain'izy ireo ny solosainko enti-tanana sy ireo kapila CD izay misy ny ezaka nataoko tamin'ny asako andro aman'alina. Noteren'ireo namana aho, ary nitatitra ny zava-nitranga tany amin'ny polisy, izay nanao ny fomba mahazatra amin'ny tranga toy izany.

Ny volana Septambra 2008, nametraka fitoriana ho an'ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI) ilay bilaogera Zied el-Heni noho ny fanakanana ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy Facebook, izay naharitra roa herinandro, ary nilaza fa nanitsakitsaka ny zony hahazo vaovao malalaka ny sivana tsy ara-dalàna nataon'ny ATI. Nolavin'ny [3] Fitsaram-paritra Fahatelo ny raharaha ny volana Novambra 2008.

Maro ireo bilaogera Toniziana nanohana [4] ny raharahan'i Zied ary nanambara ny faha-4 Novambra [5] (daty fitsarana ny fitorian'ilay bilaogera Zied El Heni ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana) ho andro nasionaly ho an'ny fahalalahan'ny famahanana bilaogy [6] .

Voasakana tany Tonizia ny bilaogin'i Zied nanomboka ny 23 Oktobra 2008. Bilaogy manokana miisa telopolo hafa ihany koa no nosakanan'ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana.

* Misaotra an'i Amira Al Hussaini [7] noho ny fandikana ny lahatsoratr'i Zied