RDC: Media Tandrefana, Vahiny Mpitsabatsabaka ary Fifidianana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2006)

Ireo mpiaramiasa Tetezamita mafy tànana

Marobe ireo bilaogera no nalahelo noho ny fitsabahana'ireo vahiny sy ireo firenena manodidina hafa miara-miasa amin'ny tetezamita, izay hitan'izy ireo ho mafy tanana amin'ny fizotran'ny fifidianana. Namoaka fanambaràna iray  any UDPS mikasika an'io ny “Le Blog du Congolais”:

Le processus électoral, financé et piloté par la communauté internationale a cessé d’être une affaire des congolais pour devenir un moyen par lequel certains pays […]justifient leur immixtion dans les affaires congolaises en s’arrogeant le droit de décider dans tous les domaines de gestion de l’Etat congolais.

Lasa tsy raharaha kôngôley intsony ny fizotran'ny fifidianana, vatsiana sy tantanan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena fa lasa fomba iray izay hanamarinan'ireo firenena sasantsasany ny fitsabahany ao anatin'ireo raharaham-pirenena kôngôley amin'ny alalan'ny fakàna zo hanapa-kevitra ao anatin'ireo sehatra rehetra fitantanana rehetra an'ny Fanjakana kôngôley.

Navoakan’ny Renouveau Congolais ny tafatafa iray niarahana tamin'i Etienne Kabila, mpitantana antoko politika, mpanohitra sy rahalahy mifanipaka amin'ny filoha mpisolo toerana, Joseph Kabila, izay nitaraina ihany koa momba ny fisian'ireo vahiny mafy tanana :

Dans mes précédentes déclarations publiées sur le web, j’ai eu à dénoncer le plan machiavélique de Mr Joseph Hyppolite KANAMBE et ses compatriotes Rwandais soutenus par des puissances étrangères pour mater davantage le peuple Congolais afin de bien piller les ressources du sous-sol et du sol congolais. […]J’ai un idéal : le Congo, mon pays, doit être dirigé par un Congolais

Tao anatin'ireo fanambaràna navoakako teo aloha tamin'ny tranonkala, nomelohiko ny drafitra ratsy dia ratsy an'Atoa Joseph Hyppolite KANAMBE [Joseph Kabila] sy ireo Roandey mpiray tanindrazana aminy tohanan'ireo firenena vahiny matanjaka  mba hamoritra bebe kokoa ny vahoaka kôngôley  mba hahafahana mandroba an'ireo harena ambanin'ny tany sy ny tanin'ireo kôngôley . […] Manana idealy aho: tokony ho Kôngôley no mitantana an'i Kôngo, fireneko.

Nitsikera ny Filoha Mpikarakara ny fifidianana Rev. Malu-Malu, ny UDPS Liege, mikasika ireo asany nandritra ny fitsidihany tao Belzika:

Comme d’habitude l’homme de Dieu a toujours de compte à rendre aux Belges, aux rwandais et aux burundais et jamais aux congolais […].

Toy ny mahazatra, manana tatitra atao foana amin'ireo Belza, amin'ireo Roandey sy ireo Borondey ny olon'Andriamanitra, saingy tsy manana kosa ho ataoa amin'ireo Kôngôley[…].

Fifidianana iray voaozona, Efa Vita Sahady Hoe?

Ireo sasany, sahala amin'ny Le Blog du Congolaisnihevitra fa ireo vahiny  mpiara-miasa amin'ny tetezamita dia efa nanapa-kevitra momba izay ho valin'ireo fifidianana

[…] tout est mis en place pour ne pas faire ombrage à un gagnant désigné d’avance dans les laboratoires méditerranéens, selon les critères de la main qui donne.

[…] napetraka amin'ny toerany avokoa ny zavatra rehetra mba tsy hanalokaloka izay mpandresy voatondro mialoha avy any anatin'ireo laboratoara mediteraneana, araka ny masontsivan'ireo tànana mpanome.

Tamina fijery tsy manam-panantenana no nizaràn‘ny Renouveau Congolais ny tafatafa nifanaovany tamin'i Etienne Kabila:

Devons-nous aller aux élections ou pas? Pour légitimer les criminels de guerre? Pour légitimer les étrangers qui dirigent notre pays? Est ce que ces élections seront libres, transparentes et démocratiques?[…] Il est impossible d’organiser les élections démocratiques dans un Etat sans liberté d’expression où règne la répression, la torture, l’intimidation et j’en passe… C’est pourquoi mon parti politique la Mouvance des Nationalistes Patriotes pour le Renouveau ne sera pas partie prenante à ces elections.

Tsy maintsy mizotra amin'ireo fifidianana ve isika sa tsia? Mba ho ara-drariny ireo mpanao heloka bevava amin'ny ady? Ho an'ireo vahiny izay mitantana ny firenentsika? Halalaka, hangarahara sy demokratika ve ireo fifidianana ireo? […] Tsy mety ny hikarakarana an'ireo fifidianana demokratika ao anaty Fanjakana tsy misy fahalalahana maneho hevitra izay anjakan'ny faneriterena, ny fampijaliana, ny fandrahonana  sns… Izay no antony mahatonga ny antoko politikako “Mouvance des Nationalistes Patriotes pour le Reenouveau” tsy ho anisany mpandray anjara amin'ireo fifidianana ireo.

Media Tandrefana sy i Tshisekedi

Manome hevitra ny Le Blog du Congolais sy ny UDPS Liege fa misy ireo media Tandrefana mirona amin'ny fanaratsiana an'i Etienne Tshisekedi, filohan'ny mpanohitra, .

Nandefa fanambarana iray avy amin'ny UDPS  ny Le Blog milaza fa:

Un plan de diabolisation de l’UDPS, relayé par quelques médias étrangers est en cours d’exécution. Ce plan consiste à attribuer à l’UDPS les perturbations violentes qui seraient en préparation et alimenteraient les contestations naturelles consécutives à l’échec du processus électoral. C’est ainsi que les journaux New York Time du 26 mars 2006 sous le titre « Congo, with Iraq in mind » de Marc Lacey et le Soir du 4 avril 2006, présentent déjà l’UDPS comme « une bande de personnes violentes ayant à leur tête Etienne Tshisekedi ». La prochaine étape dans cette cabale sera celle de l’étiquette « parti terroriste » et la boucle sera bouclée.

. andalam-panatanterahana ny drafitra iray fanaratsiana'ny UDPS, ampitain'ireo media vahiny sasantsasany. Ity drafitra ity dia ny hanendrikenrehana ny UDPS ho tompon'antoka amin'ireo fanelingelenana mahery setra, izay toa andalam-panomanana ary hiteraka an'ireo fifanoherana voajanahary hodimbiasan'ny tsy fahombiazan'ny zotram-pifidianana. Io ihany koa no nahatonga ny gazety New York Time tamin'ny 26 martsa 2006 nitondra ny lohateny hoe “Congo, with Iraq in mind » an'i Marc Lacey” sy ny Soir tamin'ny 4 aprily 2006, nampiseho sahady ny UDPS ho toy ny “andian-jiolahy iray mahery setra manana an'i Etienne Tshisekedi ho lohany”. Ny maritsoratra hoe “antoko mpampihoroho” no dingana manaraka amin'ity tetika maizina ity dia mikatona ny faribolana.

Nampiako an'izay fanadihadiana izay ny UDPS Liege:

Les médias Belges n’ont cessé de féliciter clairement le président de la CEI du bon déroulement du processus et font sourd d’oreille à une quelconque revendication allant à l’encontre de ce scénario. Tout va bien au Congo ! Affirment-t-ils.

Tsy nitsahatra ny fiarahabàna mazava nataon’ ireo media Belza ny filohan'ny CEI noho ilay dingana nandeha tsara ary manampin-tsofina ry zareo amin'izay mety ho fitakiana samihafa mankamin'ny fanoherana an'io endri-dalao io. Mandeha tsara ny zavatra rehetra ao Kôngô! Hoy izy ireo manamafy.

[…]Marie France Cros sur digital Congo.net […]traitant notre leader national Mr Tshisekedi wa Mulumba d’un grognard capricieux.

Manasokajy an'Atoa Tshisekedi wa Mulumba, mpitondra anay ho toy ny mpingerongerona mpiovaova hevitra i […] Marie France Cros eo amin'ny digital Congo.net […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.