- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiasa media elektronika ny fanjakana Ejipsiana

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2008)

Na dia teo aza ny fanafihany ireo mpikatroka an-tserasera, indrindra fa ireo bilaogera, amin'ny ezaka hiadiana amin'ny fampiasana media elektronika noho ny resaka zon'olombelona sy politika, dia nanomboka nampiasa fitaovana elektronika toy izany ihany koa ny governemanta Ejipsiana, saingy ho tombotsoany manokana.

Toa nanomboka nanangana forum antserasera antsoina hoe “Sharek [1]” (midika hoe mandraisa anjara amin'ny teny Arabo) Atoa. Gamal Mubarak [2], zanaka lahin'ny filoha ankehitriny Hosni Mubarak sady Sekretera jeneraly ao amin'ny Komitin'ny Politikan'ny Antoko Demaokraty Nasionaly [3] (NDP) androany 12 aogositra 2009. Ireo tanora Ejipsiana no kendren'ny forum vaovao amin'ny famaliana ireo fanontaniana sy fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'izy ireo amin'ny fikasana hahazo fanohanana amin'ny firotsahany ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy.

gamal-mubarak

Nampiasa fitaovana media elektronika  maromaro tamin'ny alàlan'ny fananganana pejy ho an'ny mpankafy tao amin'ny Facebook [4], tranonkala [1] Atoa Gamal, raha nanao fampielezan-kevitra ho an'ilay sehatra fanaovana dinika (forum) ary hanangana fantsona Youtube sy kaonty Flicker araka ny voalaza tao amin'ny tranonkalany, ary koa handefa mivantana ny forum ao amin'ny tranonkala.

Mazava fa tonga saina amin'ny herin'ny media elektronika ny governemanta Ejipsiana ary hanohy hampiasa azy io saingy ho amin'ny tombontsoany ihany, no sady manohy managadra sy mikaroka bilaogera no sady maka an-keriny ny fananan'izy ireo.