- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nohadihadian'i Ejipta noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny bilaogy ny mpiserasera iray

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy nivoaka tamin'ny volana Septambra 2009)
Leave_a_comment.jpg
Ny 3 septambra 2009, Khaled elBalshy, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety Al-Badeel, izay manana bilaogy manokana ao amin'ny http://elbalshy.blogspot.com [1], no nohadihadian'ny sampana misahana ny heloka bevava antserasera ao amin'ny minisiteran'ny atitany noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny iray tamin'ireo lahatsoratra bilaoginy nalefan'ny mpitsidika iray tsy mitonona anarana. Valin'ny lahatsoratra iray navoaka volana maromaro lasa [2] ilay fanehoan-kevitra. Natao ny famotopotorana, izay tsy ofisialy, taorian'ny fitarainana manohitra an'i Khaled elBalshy noho ny famoahany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaoginy. Ka setrin'izany, dia nofafan'i elBalshy ireo fanehoan-kevitra rehetra tao amin'ilay lahatsoratra voalaza etsy aloha [2].

Tsara homarihina fa sambany nisy bilaogera Ejipsiana natao famotorana noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny bilaoginy. Mampiseho izany fa miezaka mampihatra fomba vaovao ny sampan-draharaham-piarovana mba hanafihana sy hamaizana ireo bilaogera sy mpiseraampiasa aterineto.

Araka ny efa notaterina tao amin'ny GVA [3], dia nitranga tao Syria [4] ny raharaha tahaka izany tamin'ilay  bilaogera Rokana Hamour [5] ary tao Malezia [6] tamin'ilay bilaogera Nat Tan [7].