Nohadihadian'i Ejipta noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny bilaogy ny mpiserasera iray

(Lahatsoratra teny Anglisy nivoaka tamin'ny volana Septambra 2009)
Leave_a_comment.jpg
Ny 3 septambra 2009, Khaled elBalshy, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety Al-Badeel, izay manana bilaogy manokana ao amin'ny http://elbalshy.blogspot.com, no nohadihadian'ny sampana misahana ny heloka bevava antserasera ao amin'ny minisiteran'ny atitany noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny iray tamin'ireo lahatsoratra bilaoginy nalefan'ny mpitsidika iray tsy mitonona anarana. Valin'ny lahatsoratra iray navoaka volana maromaro lasa ilay fanehoan-kevitra. Natao ny famotopotorana, izay tsy ofisialy, taorian'ny fitarainana manohitra an'i Khaled elBalshy noho ny famoahany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaoginy. Ka setrin'izany, dia nofafan'i elBalshy ireo fanehoan-kevitra rehetra tao amin'ilay lahatsoratra voalaza etsy aloha.

Tsara homarihina fa sambany nisy bilaogera Ejipsiana natao famotorana noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny bilaoginy. Mampiseho izany fa miezaka mampihatra fomba vaovao ny sampan-draharaham-piarovana mba hanafihana sy hamaizana ireo bilaogera sy mpiseraampiasa aterineto.

Araka ny efa notaterina tao amin'ny GVA, dia nitranga tao Syria ny raharaha tahaka izany tamin'ilay  bilaogera Rokana Hamour ary tao Malezia tamin'ilay bilaogera Nat Tan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.