- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonga indray ny Komitim-Piarovana Bilaogera 

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Komitim-Piarovana Bilaogera (CPB), ” niverina taorian'ny fiatoana nandritra ny 1 taona mahery ilay fikambanana voalohany natokana ho an'ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahana manokan'ny bilaogera manerantany, nitondra fifantohana ety kokoa. Ny tanjonay voalohany dia ny hiasa ho birao foibe hifanakalozan-kevitra amin'ny vaovao momba ireo bilaogera norahonana sy ny fandrahonana atao amin'ireo bilaogera ,” hoy ny CPB. Vonona ny tranonkalam-baovao committeetoprotectbloggers.org [1]  ary raha mpiserasera Facebook [2] ianao dia afaka miditra ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Komitim-Piarovana Bilaogera [3] .