- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanamafy ny fanaraha-masony ny Aterineto i Belarosia 

Sokajy: Belarosia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nikasa ny hanamafy [1] ny fanaraha-maso ny Aterineto ny filoha Alexandre Lukashenko .” Raha mamaky ny zavatra navoaka ao isika dia ho hitantsika fa tsy natao ho an'ny mpanohitra fotsiny ihany izany fa ho an'ireo feo sy ireo firenena tsy tia antsika ihany koa “, hoy i Lukashenko [2] , nandrisika ny governemantany mba “hamarana ny fanakorontanana ao amin'ny Aterineto”.

Araka ny tatitry ny OpenNet Initiative momba ny sivana amin'ny aterineto any Belarosia [3], maro amin'ny mpitantana cybercafés no mitaky mari-panondroana amin'ireo mpisera aterineto sy mitahiry ny dian-tongotra an-tseraseran-dry zareo. .