Nanamafy ny fanaraha-masony ny Aterineto i Belarosia 

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nikasa ny hanamafy ny fanaraha-maso ny Aterineto ny filoha Alexandre Lukashenko .” Raha mamaky ny zavatra navoaka ao isika dia ho hitantsika fa tsy natao ho an'ny mpanohitra fotsiny ihany izany fa ho an'ireo feo sy ireo firenena tsy tia antsika ihany koa “, hoy i Lukashenko , nandrisika ny governemantany mba “hamarana ny fanakorontanana ao amin'ny Aterineto”.

Araka ny tatitry ny OpenNet Initiative momba ny sivana amin'ny aterineto any Belarosia, maro amin'ny mpitantana cybercafés no mitaky mari-panondroana amin'ireo mpisera aterineto sy mitahiry ny dian-tongotra an-tseraseran-dry zareo. .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.