- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fanarahamaso niomerika ao Angôla sy ireo firenena hafa afrikàna “tsy dia manao ahoana loatra”

Sokajy: Angola, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2014)

Nisy fandalinana tsy ela akory [1] izay, nataon'ny Citizen Lab avy amin'ny Oniversite Toronto, manoritsoritra ny fampiasàna ireo rindrambaiko fanarahamaso novokarin'ny orinasa italiàna Hacking Team ampiasaina ao Etiopia,  Maraoka, Nizeria, Sodàna ary Somalia. Tamin'ny taona lasa, tratra tao Afrika Atsimo sy tao Nizeria [2] ireo  rindrambaiko ratsy fanahy novokarin'ny orinasa iray iraisan'ny alemàna sy anglisy. Niteraka fahalinana vaovao momba io resaka io tao Afrika ambanin'i Saharà ireny vokatra ireny.

Toa lasa nitafy fahalinana goavana ho an'ireo mpikaroka ny fahitàna any amin'ireo firenena lehibe ao Afrika ireny rindrambaiko ratsy fanahy sy teknolojia hafa “mora vidy” natao ho fanarahamaso ireny – vokatra mahazatra amin'ny vidiny azo lazaina ho azo ihorirànana vokarin'ireo orinasa tsy miankina. Saingy ahoana ny amin'ireo firenena izay, raha jerena amin'ny fihevitr'ireo tandrefana, dia heverina ho “tsy dia manao ahoana loatra”, na noho ny isan'ny mponina ao aminy, na noho ny toerany jeopolitika?

Tranga iray mahaliana i Angôla [3]: ity firenena ity, manankarena solika, dia manana vahoaka somary marefo sy antoko iray matanjaka eo amin'ny fitondrana [4], miaraka aminà filoha iray efa teo nandritra ny 34 taona. Toa manelingelina ny fitondràna ny fisian'ireo mpanao gazety mpanao famotopotorana, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana ary ireo fanetsehana ara-tsôsialy – indrindra fa manodidina ny resaka toy ny trano fonenana sy ny kolikoly politika – saingy sarotra tombanana ny tena fiantraika mavesatra aterak'ireny hetsika ireny.

Tamin'ny Desambra 2013, noresahan'ilay mpikaroka momba ny fiarovana dizitaly, Jacob Appelbaum, tao amin'ny  Chaos Communication Congress [5] ny momba ilay angoley mpanao gazety famotopotorana Rafael Marques [6] sy ny solosaina findainy. Nanatona an'i Appelbaum i Marques, mpanao gazety malaza sy fantatra amin'ireo fanadihadiany momba ny fanararaotana fahefana amin'ny sehatra avo lenta, ary nanao fangatahana tsy dia nahazatra loatra: “Sahala amin'ny misy tsy milamina amin'ity solosaina findaiko ity, milodaka be loatra izy ity“. Tratran'i  Appelbaum tao ilay lazainy amin'ny hoe “fitaovana famintànana tena ratsy dia ratsy” tsy mbola hitany hatrizay, ridrambaiko iray fitsikilovana izay maka tsy amin'ny nahim-pony ny dika avy amin'ny fàfana fampiasan'i Marques ary niezaka ny nandefa azy ireny ho any aminà solosaina iray hafa.

Ao anatin'ny lahatsary iray eto ambany, asehon'i  Appelbaum ny fomba nahavoazan'ireo rindrambaiko faran'izay tsotra an'i Marques, na dia nampiasa ny rindrambaiko TOR aza izy mba hiarovany ny solosainy:

Volana vitsy taorian'ilay nahitàna hoe tafiditry ny rindrambaiko ratsy fanahy ny solosainy, nosamborina sy nodarohana [7] i Marques, izay mitantana ny tranonkala Maka Angola [8]. Ankehitriny, mety hiharan'ny fanenjehana eny amin'ny fitsaràna izy ao Angôla sy ao Portiogaly noho ireo asa fikarohana nataony, izay nahitàna ny fisianà rafitra iray iraisampirenena fanadiovambola azo tamin'ny diamondra notrandrahana tao amin'ny faritra Lunda ao Angôla.

Heverin'i Appelbaum fa na ireo fitondràna tsy dia mpiondana teknlojia loatra aza dia afaka mahita fomba vaovao hampiharana ny fanarahamaso amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo vokatra sy teknikan'ny fanarahamaso dizitaly tsotra. Kanefa, tsy dia hita loatra ao Angôla ny resaky ny daholobe momba ny fiarovana ny angondrakitra, ny fanarahamaso ary ny lalàna.

Ny azo anazavàna an'io angamba dia ny hoe eo amin'ny fiainana tena izy, hita eny rehetra eny loatra ny fanarahamaso mibaribary sy ny fitsofohana miafina  – ataon'ireo olona sasantsasany mpanangona vaovao ary nahazo fiofànana tany amin'ny Firaisana Sovietika taloha – ka tsy dia hitan'ireo mpikatroka sy mpanao gazety loatra intsony izay antony tokony hifantohana manokana amin'ny fiarovana ny zavatra ataon-dry zareo ety anaty aterineto.

Mavitrika tokoa ankehitriny i Marques amin'ny fanarahana akaiky ny olan'ny fanarahamaso dizitaly ao Angôla. Tamin'ny Oktôbra 2013, nampangainy ny tolodalàna iray [9] manome fahefana feno ho an'ny fanjakàna mba hisava tsy misy didy sy handràra ireo endrika filazambaovaovao sasany ety anaty aterineto. Nampidirina ho fanampin'ny drafitra lalàna iray momba ny fitantanana ny aterineto nolaniana tamin'ny 2010 ireny fepetra ireny, hoy izy, navoaka fotoana fohy monja taorian'ireo fitroaram-bahoaka tao Ejipta sy Tonizia.

Na somary vaovao ihany aza ireny endrika fanarahamaso ireny, tsy toy izany kosa ny loza mitatao amin'ny fahalalahana maneho hevitra ao Angôla. Natao ho toy ny mpanao heloka bevava [10] ireo gazety sy rantsana gazety tsy miankina ao an-toerana, na raha tsy izay dia ny fahafahany mivelatra no nihena noho ireo fitakiana lisansa misanda lafobe, izay toa misy endrika politika. Miaina sy miasa any amin'ny firenena any ivelany i Marques izy tenany. Ankehitriny izy dia miatrika fanenjehana iray noho ny resaka fanalàna baràka [11] [pt] any Portiogaly, fitarainana napetrak'ireo mpikambana ao amin'ny fitondràna ao Angôla

Toy ny any Etiopia ihany, marobe ireo mpikatroka sy matihanina angoley amin'ny resaka filazambaovao tsy miankina no manana fifandraisana akaiky amin'ireo any am-pielezana. Nisy etiopiàna iray mpanao gazety monina ao Washington, DC, no tsy ela akory izay, nametraka fitoriana araka ny lalàna [12] manenjika ny governemanta etiopiàna noho ireo fanarahamaso ataony amin'ny alàlan'ny rindrambaiko ratsy fanahy tao anatin'ireo solosainany. Ity fivoaran-draharaha ity, farafaharatsiny, dia tokony ho tafiditra amin'ny fanentanana ireo miaina an-tsesitany sy ireo etiopiàna mpikatroka. Ilay fitarainana, izay napetraka tany Etazonia, dia hiantehitra amin'ireo fikarohana lalina sy ny fanarahana ireo rindrambaiko ratsy fanahy.

Ho an'ireo olona toa an'i Marques, any amin'ny firenena isankarazany manerana ny tany, ilay tranga etiopiàna dia afaka iheverana ny fomba iraisampirenena hampifamadihana ny lanjan-kery – fomba iray hamaliana bontana ireo fanafihana ka hanokafana fanadihadiana iray sy hanehoana hevitra. Ny tohiny andrasana ho hita any amin'ireo “firenena tsy dia manao ahoana loatra” toa an'i Angôla dia ny hahita raha toa ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonina sivily, ireo mpikaroka ary ireo mpisolovava ka mba ho afaka hahita fomba ho entina manetsika ny sehatra iraisampirenena mba hitiliana sy hiampangàna ny loza tsy mitsahatra mitombo amin'ny resaka fanarahamaso dizitaly.