- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Bilaogera ao Kemerovo iray hafa notoriana noho ny fanalam-baraka

Sokajy: Rosia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)

Natomboka ny raharahan-keloka bevava nanenjehana an'i Alexander Sorokin monina ao Kemerovo (aka mpisera LJ commentator40 [1]), hoy ny tatitra [2] [RUS] avy amin'ny Echo Moskvy. Voampanga ho nanala baraka ny governoran'i Kemerovo, Aman Tuleev [3] [EN] tamin'ny lahatsoratra [4] iray [RUS] nampitaha ny governoram-paritra Rosiana tamin'ireo mpanao didy jadona Amerikana Latina i Sorokin. Ity no raharaha henjana faharoa [5] [EN] amin'ny fanenjehana bilaogera ao amin'ity faritra ity tamin'ny taona 2010.

alexander_Sorokin [6]