@ActLenguas : Yásnaya Elena Aguilar Gil no mitantana hatramin'ny 20 Janoary 2019

Yásnaya Elena Aguilar Gil

Ny taona 2019, nanapaka hevitra izahay ny hanasa vahiny isankarazany hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas sy hizara ny zavatra niainan'izy ireny momba ny famelomana indray ary fampiroboroboana ny tenindreniny. Hazavain'i Yásnaya Elena Aguilar Gil amintsika ny zavatra kasainy horesahana mandritra ny herinandro natokana ho azy, ny 14 hatramin'ny 20 janoary.

Rising Voices (RV) : Azonao ampahafantarina anay ve ny momba anao?

Soy Yásnaya Elena Aguilar Gil de Ayutla Mixe en la Sierra Norte de Oaxaca, soy lingüista, mi lengua materna es el mixe, que pertenece a la familia lingüística mixe-zoque. Mi lengua es una de las más habladas del estado de Oaxaca y posee una gran variedad interna. Tiene 4 macrovariantes y variantes por comunidad. Una de las principales actividades que hago es difundir información sobre diversidad lingüística y el proceso de la muerte de las lenguas. También me interesa el estudia gramatical, las lenguas en la red y los procesos de lecto-escritura.

Yásnaya Elena Aguilar Gil no anarakao ary avy any  Ayutla Mixes, fanjakan'i Oaxaca, ao Meksika. Mpahay momba ny teny aho ary ny mixe, teny mixe-zoque no tenindreniko. Ny tenindreniko no iray amin'ireo be mpampiasa indrindra ao Oaxaca ary misy hamaroana manandanja ao anatiny. Misy efatra ireo hamaroana/karazana fototra hita ao aminy ary miovaova arakaraky ny vondrom-piarahamonina. Miasa amin'ny fanapariahana ny torohay momba ny hamaroan'ny teny sy ny dingana mitondra mankany amin'ny fahafatesan'ny teny iray aho. Mahaliana ahy ny fandinihana ny fitsipi-panoratana, ny teny eny anaty tambajotran-tserasera ary ny dingan'ny fanoratana sy ny famakiana teny.

RV : Aiza ho aiza ny toerana misy ny teninareo ankehitriny ao anatiny sy ivelan'ny aterineto?

La lengua en mi comunidad, como en muchas de las cabeceras municipales de le región mixe se encuentra en periodo de desplazamiento. En línea hay presencia y uso pero es necesario que haya más.

Toy ny any amin'ny ankamaroan'ireo renivohitra monisipalin'ny faritra mixe, iharan'ny fikisahana ankehitriny ny tenin'ny vondrom-piarahamonina misy ahy. Hita sy ampiasaina ao amin'ny aterineto izy, saingy mbola mila bebe kokoa mihoatra noho izany.

RV : Lohahevitra toa inona no ho ampitainao ao amin'ny kaonty @ActLenguas ?

En la diversidad de lenguas, en el proceso de pérdida de ellas y de iniciativas que plantean opciones para frenar este proceso.

Momba ny hamaroana sy fahasamihafàn'ny teny ary ny dingana mitondra mankamin'ny famoizana azy ireny, ary koa ireo hetsika santatra izay manome safidy ahafahana misoroka io famoizana io.

RV : Inona no hery manosika ny fikatrohanao ho an'ny teny mixe ?

Creo que la muerte de las lenguas está acompañado de una violación sistemática de derechos humanos y por un procesos histórico y político, revitalizarlas pasa por detener ese atentado a los derechos de personas concretas.

Inoako fa ny fahafatesan'ny teny dia arahana foana fanitsakitsahana ny zo maha-olona sy dingana ara-tantara ary ara-politika, ary ny fanomezana aina indray ireny teny ireny dia midika fampitsaharana io fanohintohinana ny zon'ireo vondrona manokana io.

RV : Inona no antenainao ho an'ny teninareo?

Que se fortalezca y viva y que adquiera más espacios de uso, la lengua como territorio de resistencia de los pueblos indígenas del mundo.

Antenaiko hahazo tanjaka izy, hanohy hiaina ary ho ampiasaina amina habaka midadasika kokoa. Ho an'ireo vazimba teratany manerana izao tontolo izao dia faritàny fanaovana fanoherana ny teny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.