- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'i Torkia ny sehatra famahanana bilaogy malaza WordPress.com  

Sokajy: Tiorkia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voasakana tao Torkia [1] ny sehatra malaza sy maimaim-poana, famahanana bilaogy WordPress.com [2] ary ireo izay mikasa ny hitsidika izany dia nahita ity hafatra ity: ” Naato araka ny fanapahan-kevitra laharana faha : 2007/195 Fitsarana Sivily Ambaratonga Voalohany TC Fatih 2 ny fidirana amin'ity tranokala ity.”

Tsy fantatro hoe manana rindrin'afo lehibe tahaka an'i Shina i Torkia. Tena mampalahelo izany satria manana vondrom-piarahamonina Tiorka tena mavitrika izahay izay mahazo jeripejy eo ho eo amin'ny 12 tapitrisa eo ho eo isam-bolana, “hoy ny mpanorina mpamolavola ny WordPress, Matthew Mullenweg [1] .