- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Avelao hiteny i Hoder!

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Let Hoder Speak! [1]

Taorian'ny fampiatoana ny bilaogin'i Hossein Derakhshan [2] (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder) avy amin'ny orinasa fampiantranoana bilaogy any Etazonia, Hosting Matters [3] ,dia nisy ny fanangonan-tsonia an-tserasera [1] nataon'ny The Eyeranian [4] ho fanohanana ny zon'i Hoder amin'ny fahalalahana miteny: ” Manan-jo haneho ny heviny i Hoder, tahaka antsika rehetra. Toy izany fotsiny ireo fanehoan-kevitra ao anaty bilaogy manokana; ny hevitry ny mpanoratra. Mifanohitra amin'ny etika ny famerana ny zo toy izany tsy misy dingana ara-pitsarana, ary tena tsy ara-dalàna mihitsy aza. Tokony hiady ho an'ny zony hiteny isika rehetra, satria momba ny zontsika manokana hiteny ihany koa izany,” hoy ny mpikarakara ny fanangonan-tsonia ho an'ny Avelao hiteny i Hoder [1]!