- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Monaco: Tranonkala voampanga ho nanala baraka ny Lehiben'ny Fanjakana

Sokajy: Monaco, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao Monaco (Fanjakam-printsy ao Monaco [1]), voalaza fa nanasongadina sariitatra [2] nanala baraka sy nanaraby [3] ny Printsy Albert II [4] sy ireo mpanao politika hafa ao an-toerana i Marc Giacone [5], tompon-tranonkala vaovao fanesoana iray ary mety hisazy enim-bolana an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.500 € [6] . Naato ilay tranonkala, Monaco Political Circus, izay natao hangalana tahaka ilay gazety mpivoaka isak'herinandro malaza ara-politika fanesoana Charlie Hebdo [7].