Monaco: Tranonkala voampanga ho nanala baraka ny Lehiben'ny Fanjakana

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao Monaco (Fanjakam-printsy ao Monaco), voalaza fa nanasongadina sariitatra nanala baraka sy nanaraby ny Printsy Albert II sy ireo mpanao politika hafa ao an-toerana i Marc Giacone, tompon-tranonkala vaovao fanesoana iray ary mety hisazy enim-bolana an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.500 € . Naato ilay tranonkala, Monaco Political Circus, izay natao hangalana tahaka ilay gazety mpivoaka isak'herinandro malaza ara-politika fanesoana Charlie Hebdo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.