Ejipta: Nolavina ny fangatahan'ilay mpitsara hanakanana ireo tranonkala 

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandà ny fangatahana nataon'ny mpitsara Abdel Fattah Mourad mba hanakanana tranonkala sy bilaogy miisa 51 heverina fa maniratsira ny fahamendrehan'ny fanjakana sy mandrahona ny tombontsoan'ny Ejipta ny Komitin'ny Vaomieram-panjakana ao Egypta. Mandritra izany, niato ny fanadihadiana natao tamin'ny bilaogera Amr Gharbia, izay voampanga ho nanala-baraka ny mpitsara Mourad: “Nanambara  ny Polisy fa nampiantrano fanehoan-kevitra manevateva tsotra izao ny mpitsara ny bilaogin'i Gharbia ; koa satria tsy avy aminy ny fanehoan-kevitra dia noafahana madiodio tamin'ny fiampangana izy avy eo, “hoy i IFEX tao amin'ny fanambarana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.