- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampitahorana sy fandrahonana an'ilay bilaogera Wael Abbas

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ilay bilaogera Ahmad Sherif [1] dia namoaka dikanteny amin'ny teny Anglisy ny fampitahorana nataon'ny polisy Ejipsiana [2] mikendry ilay bilaogera Ejipsiana Wael Abbas [3] sy ny fandrahonana azy mba hanajanona ny famoahana lahatsoratra [4] sy lahatsary mitsikera ny Filoha Mubarak sy ny zanany lahy Gamal. “Inoana fa tsy toy izany mihitsy ny fomba ho an'ny firenena mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana ho an'ny Zon'olombelona, ​​nanomboka ny 17 May 2007,” hoy ilay bilaogera  Ahmad Sherif.