Maraoka: Vaovao farany momba ny sivana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Taona mafy ho an'ny fahalalahan'ny aterineto Maraokana ny taona 2006, maro ireo tranonkala voasakana; Tsy tsara noho ny teo aloha ny taona 2007 noho ireo tranonkala nisokatra teo aloha lasa mitsitapitapy ny fahafahana miditra ao aminy.

Moi, dans tous mes états (fr) namintina ny fahalalahan'ny aterineto (ary koa endrika hafa amin'ny media) tamin'ny lahatsoratra iray vao haingana:

A l’heure des podcasts et autres émissions sur le réseau internet, la régulation est un leurre.

« Et nous sommes arrivés à la même conclusion : la bataille de la régulation sur Internet est perdue d'avance » dixit Ahmed Ghazali. Le choix de plus en plus multiples d’émissions et de chaînes impose aux opérateurs marocains plus d’audace dans la concrétisation de ce projet.

Amin'ny andron'ny podcasts (fandraketam-peo) sy fandaharana hafa ao amin'ny aterineto, fitaka ny fandaminana izany. “Ary tonga amin'ny famintinana mitovy isika: efa very mialoha ny ady amin'ny fandaminana ny aterineto” hoy i Ahmed Ghazali. Ny safidy tsy mitsaha-mitombo amin'ireo karazana fandaharana sy fantsona rehetra dia mametraka fahasahiana lehibe ho an'ireo mpandraharaha [mpamokatra media] Maraokana amin'ny fanatanterahana ity tetikasa ity.

Mbola olana ihany koa ny fanivanana ny feon'ireo mpanohitra avy any Sahara Andrefana, bilaogy marobe avy amin'io faritra io no nakatona tany amin'ny faritra hafa ao Maraoka. Nanonona ny lahatsoratra navoakan'ny MAP (Gazety Arabo Maghreb=Maghreb Arab Press) vao haingana ny Freedom Writer, raha naneho hevitra momba ny lahatsoratry ny Human Rights Watch momba ny fahalalaham-pitenenana any Sahara Andrefana kosa i asvdh.

Na dia milaza aza ny lahatsoratry ny AFP fa manana fahalalahana bebe kokoa ireo bilaogera Maraokana raha oharina amin'ireo firenena Arabo sy Miozolomana, ny zava-misy amin'ny tsy fahafahana miditra matetika ao amin'ny Livejournal dia manaporofo fa mbola misy lalana tokony aleha. Araka ny voalazan'ny MoTIC, izay manana hihy (onglet) iray eo ambonin'ny tranokalany, fa mbola voasakana ihany koa ny Google Maps sy Google Earth. Lahatsoratra iray avy amin'i Matthew Helmke manonona tranonkala hafa voasakana toy ny OpenDNS, anonymizer.com, multiproxy.org, “ary  indraindray YouTube.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.