- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasy avy amin'ny bilaogera Ejipsiana iray manao fitokonana tsy hihinan-kanina taorian'ny fanagadrana sy fampijaliana

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2008)

Ity manaraka ity ny dikantenin'i Amnesiac [1] momba ny taratasy nalefa tamin'ny fihetsiketsehan'ny Sendikàn'ny mpanao gazety [2] momba ireo olona voatazona am-ponja noho ny fitokonana tamin'ny 6 Aprily, anisan'izany ilay bilaogera Kareem El Beheiry [3]:

We, three political detainees, address the letter below to the Judges’ Club and its head Zakareya Abdel Aziz from the Borg el-Arab Prison in Alexandria…

Dear Sir,

A week has passed on our hunger strike and we are extremely weak. We are appealing to you as the last and only resort for all who have suffered injustice in Egypt.

We would like in the beginning to correct certain information which has reached the press about our (the three of us) having been transferred to the prison hospital as a result of our hunger strike.

The truth is that we are still in prison after the administration refused to call an ambulance to take us to hospital, and as a result of the inability of Karim el-Beheiry and Tareq Amin to stand on their feet – as a result of their extreme weakness. Instead, a “nurse” was summoned to examine Karim, whose condition has seriously deteriorated.

We would like to know the reason why we remain in detention. We will continue the hunger strike until we either die or receive this information.

We were tortured in the state security headquarters in Mahalla on the 6th, 7th and 8th April. Officers tortured Karim using electricity while Tareq Amin and Kamal el-Fayyoumy were insulted verbally and physically assaulted. We then spent eleven days in Borg el-Arab prison in a cell with individuals with criminal convictions. When the Tanta court ordered that we be released we were held for four days in the El-Salam police station [noqtat shorta] situated between Mahalla and Tanta before we were taken to Borg el-Arab prison were we began our hunger strike.

From our detention cell, we call on you and all political currents to take action and apply pressure in order to secure the release of all those detained in connection with the events of Mahalla.
Signed
Kamal El-Fayyoumy, Tareq Amin, Karim El-Beheiry
Detained workers from Mahalla
Borg el-Arab Prison
Wing 22, Cell 5

Izahay, gadra politika telo ato amin'ny fonjan'i Borg el-Arab ao Alexandria, dia mandefa ny taratasy eto ambany ho an'ny Klioban'ny mpitsara sy ny filohany Zakareya Abdel Aziz  …

Tompoko,

Herinandro izay no lasa tamin'ny fitokonanay tsy hihinan-kanina ary tena malemy tanteraka izahay. Miantso anao farany sy tokana izahay, ho an'ireo rehetra iharan'ny tsy rariny aty Ejipta.

Tianay aloha ny hanitsy vaovao sasantsasany izay tonga tamin'ny gazety milaza momba (anay telo) izay voalaza fa nafindra tany amin'ny hopitalin'ny fonja noho ny fitokonanay tsy hihinan-kanina.

Ny marina dia mbola aty am-ponja izahay rehefa tsy nety niantso fiara mpamonjy voina hitondra anay any amin'ny hopitaly ny governemanta,  noho ny tsy fahafahan'i Karim el-Beheiry sy i Tareq Amin mitsangana – sy noho ny fahalemena goavana mahazo azy ireo. Fa nampanantsoina kosa ny “mpanampy mpitsabo” iray nantsoina hijery an'i Karim, izay niharatsy tanteraka ny toe-pahasalamany.

Te hahalala ny antony mbola hijanonanay aty am-ponja izahay. Hanohy ny fitokonana tsy hihinan-kanina izahay mandra-pahafatinay na mandra-pahazoanay izany vaovao izany.

Nampijaliana tao amin'ny foiben'ny fiarovam-panjakana ao Mahalla izahay ny 6 sy 7 ary 8 aprily. Nampijaly an'i Karim ireo mpiandraikitra tamin'ny alàlan'ny fampiasana herinaratra raha nompaina sy niharan'ny herisetra ara-batana kosa i Tareq Amin sy i Kamal el-Fayyoumy. Nandany iraikambinifolo andro tao amin'ny fonjan'i Borg el-Arab izahay avy eo tao anaty efitrano natao ho an'ireo mpanao heloka bevava. Rehefa nandidy ny hamotsotra anay ny fitsarana Tanta dia notazonina nandritra ny efatra andro tao amin'ny paositry ny polisy El-Salam [noqtat shorta] teo anelanelan'i Mahalla sy Tanta izahay talohan'ny nitondrana anay tany amin'ny fonjan'i Borg el-Arab izay nanombohanay ny fitokonana tsy hihinan-kanina.

Avy aty amin'ny fonja misy anay, miantso anao sy ny tontolo politika rehetra izahay mba handray andraikitra sy hanao fanerena mba hiantohana ny famotsorana ireo rehetra nogadraina noho ny hetsika tao Mahalla.
sonia

Kamal El-Fayyoumy, Tareq Amin, Karim El-Beheiry
Mpiasa voatazona tao Mahalla
Fonjan'ny Borg el-Arab
Tsanganana 22, Efitra 5