Ho an'ny Reporters Sans Frontières, “Ny fahalalahan'ny gazety no vidin'ny demaokrasia”

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2009)

“Ho anao, tendry iray ny vidin'ny fidirana amin'ny vaovao. Ao Shina, mety hampigadra mpanao gazety fito taona an-tranomaizina izany “. Izany no hafatra hitanao amin'izao fotoana izao ao amin'ny tranonkala New York Times ary koa ao amin'ny USATODAY.com.

Manomboka fanentanana nasionaly, mitondra ny lohateny hoe: “Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety no Vidin'ny demaokrasia” ny Reporters Sans Frontières, fikambanana iraisam-pirenena miaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, miaro ireo mpanao gazety nogadraina na enjehina noho ny asany ary mampiseho ny fanararaotana sy ny fampijaliana azy ireo any amin'ny firenena maro.

Araka ny filazan'ny fikambanana, natao hampahafantarana ny vahoaka amerikana momba ny tsy rariny nihatra tamin'ny mpanao gazety izany. Ny tanjona dia ny hampisehoana isaky ny misy ny famonoana na fanivanana gazety, na rehefa tsy omena vaovao lehibe ny olom-pirenena. Farafahakeliny, nandritra ny dimy ambin'ny folo taona lasa, nahafatesana mpitati-baovao miisa 850 ny famoahana vaovao.

Tao anatin'ny fanentanana, nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube, “Shot for News?! [tifitra noho ny vaovao?!] ny Reporters Sans Frontières, izay mampiseho tovovavy iray eny an-dalamben'i New York, segondra vitsy taty aoriana dia nisy lehilahy iray voatifitra imbetsaka raha nijoro teo amin'ny toerana iray misy gazety. Toy izao ny hafatra: Tsy tahaka ireo firenena maro hafa, tsy hisanda aina iray na oviana na oviana ny fahazoana vaovao eto. Vao haingana ny RSF no namoaka ny fanadihadiany fanao isan-taona Tondro Fahalalahan-Gazety Manerantany, izay mandrefy ny haben'ny fahalalahan'ny mpanao gazety ao amin'ny firenena miisa 175. Amin'izao fotoana dia maherin'ny 200 ireo mpanao gazety sy mpiasa amin'ny fampitam-baovao voafonja eran-tany. Mpanohitra antserasera 91 no nigadra noho ny asan'izy ireo an-tserasera. Mba hahitana ny laharan'ny firenenao mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, dia tsindrio ny:
http://www.rsf.org/en-classement1003-2009.html

Nangatahana ihany koa ireo gazety manerana ny firenena mba hanome sehatra malalaka amin'ny fanontam-pirinty na antserasera mba handefa ny hafatra ho an'ny besinimaro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.