- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Fanaraha-maso ny aterineto taorian'ny fihetsiketsehana Xiamen

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

” Teo ambanin'ny fandrindrana vaovaon'ny tanàna [1], tsy maintsy mampiasa ny tena anaran'izy ireo rehefa mandefa hafatra amin'ny tranonkala maherin'ny 100.000 izay voasoratra ao Xiamen ireo mpisera aterineto.” Xiamen dia tanàndehibe any Atsimon'i Shina iray izay ahitana olom-pirenena mampiasa bilaogy, fifanakalozan-kevitra ary hafatra SMS mba hikarakarana hetsi-panoherana [2] manohitra ny volavolam-pananganana  orinasa fanodinana akora simika misy poizina.