- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nojirihana ny bilaogin'ilay mpanao gazety sady bilaogera Toniziana

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nojirihana sy nofafàna ny bilaogin'ilay [1] mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Slim Boukhdhir [2]. Toa ireo vondrona mpijirika izay mikendry ireo tranonkalan'ny mpanohitra Toniziana sy ireo bilaogy ihany no nanao izany. Nojirihana [3] imbetsaka [4] ny tranonkalan'ny Antoko Demokratika Liam-pandrosoana ( antoko mpanohitra ara-politika ara-dalàna) ny herinandro mialoha an'izany . Taorian'ny sivana, olana goavana natrehin'ny tranonkalan'ny mpanohitra Toniziana sy ny bilaogy ny fijirihana.