- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Maleziana nosamborina noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny bilaoginy

Sokajy: Malezia, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborina noho ny fanehoan-kevitra nivoaka [1] tao amin'ny iray tamin'ireo bilaogin-dahatsorany tamin'ny taona 2006 ilay bilaogera Maleziana Nat Tan [2]. Nogiazana ny solosainy sy ny solosainy entin-tanana. Notanana vonjimaika nandritra ny efatra andro [3] i Tan, mba hanamorana ny fanadihadiana eo ambanin'ny Lalàna Ofisialin'ny Tsiambaratelo (OSA).