11 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 11 Janoary 2019

Shina: Voasivana ny Flickr ary naneho hevitra ny vondrom-piarahamonina Flickr

GV Mpisolovava  11 Janoary 2019

Nanolotra ny fanohanany ho an'ny vondrom-parahamonin'ny Flickr Shinoa ary nampiditra tovana "Ry Shinoa Ahoana No.." i Hamed Saber, ny mpandrafitra an-tseraseran'ny Access Flickr! ao amin'ny Firefox (jereo ny antsafa nifanaovany tamin'ny Global Voices) izay nandray anjara tamin'ny adihevitra mahaliana momba ny Rindrin'Afo Lehibe ao Shina.

Zimbaboe: Voabahana ny bilaogiko!

GV Mpisolovava  11 Janoary 2019

Ny Zoma 20 Martsa 2009, voabahana ilay bilaogy zimbaboeiàna Peace, love & happiness unto the whole world, (Fandriampahalemana, fitiavana ary hasambarana ho an'ny tany manontolo). Nanoratra mikasika izany ny mpanoratra ilay bilaogy, Eusebia, manao hoe, "Tena tsy azoko mihitsy ny antony nanakanana ny bilaogiko... Laviko ny hosivanin'ny olona na ampanginina, na avy amin'iza izany na avy amin'iza, satria fantatro ny zo maha-olona ahy ho afaka maneho hevitra an-kalalahana..."