- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Na dia nandao antsika aza izy dia namela lesona ho antsika': Tohina noho ny fahafatesan'ilay mpiaro ny zon'olombelona tsy misy tahotra i Tajikistan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Fayzinsso Vohidova. Pikantsary nalaina tao amin'ny Fantsona YouTube CATV News [1].

Nodimandry ny 4 Janoary 2019 i Fayzinisso Vohidova, mpisolovava malaza Tajik iray izay fanta-daza noho ny fahavononany hiaro ireo voasambotra ara-politika sy ny fanakianana tsy mitsaha-mitombo ny rafitra tsirefesimandidy ao Tadjikistan.

Tao amin'ny Facebook, izay mihavitsy hatrany ny fanakianana misokatra ny manampahefana ao amin'ity firenena Aziatika Afovoany ity, nitantara ny tantarany manokana ny fitobaky ny alahelo .

Renim-pianakaviana mananjanaka telo i Vohidova, nofaritan'ireo mpankafy azy ho “Gurdofarid”, izay manondro maherifo Persiana fahiny tsy manantahotra avy ao amin'ny tononkalo Persiana Shahnameh [2] .

Niady tamin'ny pnemonia izy ka resy herinandro monja taorian'ny nankalazany ny faha-55 taonany.

Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, niharan'ny fandrahonana matetika avy amin'ny manampahefana Tajik i Vohidova, sy ny teny mihoapampana avy amin'ireo mpanohana ny fitondrana ary ny famerana ny hetsika momba ny asany.

Na dia nisoroka ny fisamborana aza izy, dia naato ny fahazoan-dàlan'i  i Vohidova hampihatra ny lalàna ary tsy afaka niala ny firenena [3] tamin'ny fotoana nahafatesany.

Nanoratra andiana fifanakalozan-kevitra mampihetsi-po sy mifampizaràna betsaka tao amin'ny Twitter ho fanomezam-boninahitra ilay vehivavy izay heverina ho namana sy mpiara-miasa aminy i Steve Swerdlow avy ao amin'ny vondrona Human Rights Watch.

Namoy olona mahafinaritra izao tontolo izao vao maraimbe androany , olona maherifo mpiaro ny zon'olombelona, mpisolovava tsy misy tahotra, mpanohitra , mitolona ho an'ny zon'ny vehivavy sy ho an'ny fahamendrehana mahaolombelona: ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona Tajik Fayziniso Vohidova, izay maty tao Khujand noho ny fahasarotana tamin'ny pnemonia (.)

‘Reny be herimpo’

Teraka tao amin'ny distrika lavitra any avaratr'i Tadjikistan i Vohidova ary nianatra lalàna tao amin'ny Oniversitem-panjakan'i Moskoa malaza.

Anisan'ny mpikambana ao amin'ny antoko Sosialy Demokratika mpanohitra ao Tadjikistan izy, nomena azy ny anarana ho mpiaro ireo tanora migadra noho ny fiampanga ho mahery fihetsika avy amin'ny mpitondra laika.

Rehefa nosamborina ny mpitati-baovao tao amin'ny  BBC, Urinboy Usmonov [8],  noho ny fiampangana toy izany tamin'ny taona 2011 dia lojika ihany raha nandray an-tanana ny raharaha i Vohidova. Nomelohina i Usmonov saingy noafahana tany am-ponja satria nisarika ny mason'ny fampitam-baovao iraisam-pirenena ilay firenena.

Mpanao gazety iray hafa ao amin'ny BBC, nanoratra tao amin'ny Facebook [9] i Darius Raja bian avy ao Londra fa mbola tsy nisy toy izany ny fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto momba ity fahafatesan'ilay mpiaro ny zon'olombelona ity:

Ҳаргиз Файзбуки Тоҷикистон ин ҳама сӯгвор набуд ва ин ҳама файз намеборид, ки ҳоло меборад. Рафтанаш ҳам дарсе буд…

Tsy mbola nisaona tahaka ny hita ankehitriny ny Facebook Tajik. Na dia nandao antsika aza izy dia namela lesona ho antsika.

Mpitati-baovao iray hafa, Anora Sarkorova, namaritra an'i Vohidova ho [10] “voninahitra sy feo fieritreretan'ny firenena Tajik.”

“Tsy nangina izy rehefa misy olona tsy sahy miatrika ny zava-misy. Nanao vivery ny ainy isan'andro izy ary nahafantatra ny hasarobidin'izany, ” hoy i Sarkorova nanampy.

Feno fiarahabana ny fitsingerenan'ny taona nahaterahany roa herinandro lasa izay ny rindrin'ny Facebook-n'i Vohidova manokana ary nitobaka ny fiaraha-miory ankehitriny.

Nandrava ity fahanginana ity ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy Tajik izay notapenam-bava nandritra ny taona faramparany, noho ny fikendren'ny fanjakana ireo mpitsikera an-tserasera, mba hanehoana ny alahelony lalina tamin'ny fahalasanan'i Vohidova sy ny tsy fahazoan'izy ireo mampihatra ny zony.

Ao anaty firenena iray liana amin'ny poezia dia mety tsy mahagaga loatra raha misy ny sasany tamin'ireo mpisera no naneho ny adin-tsain'izy ireo tamin'ny andinin-tononkalo.

Nanoratra [11] ilay mpisera Facebook Abduqodir Rustam hoe :

Боли мурғи озоди адолат шикаст! Модари ҷасорат мурд! Дар ин чанд соли охир худро боре ҳам чунин танҳо эҳсос накарда будам, агарчи боре ҳам ӯро надида ва рӯ ба рӯ суҳбат накарда будем……. Алвидоъ Файзинисо!

Rava ny elatry ny voron'ny fahafahana sy ny rariny! Maty ny renin'ny herimpo! Tsy mbola nahatsiaro ho manirery toy izao aho tato anatin'ny taona vitsy izay, na dia tsy mbola nihaona taminy aza aho (Fayzinisso) ary niresaka taminy. Mandria am-piadanana, Fayzinisso!

Ny 9 Desambra 2018, tao amin'ny lahatsorany farany tao amin'ny Facebook [12], nanoratra momba ny vehivavy roa izay nankasitrahany indrindra i Vohidova – ilay Sojabe Alemà Angela Merkel sy ilay Rosiana mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza Lyudmila Alexeyeva, izay maty omalin'io.

Raha nanoratra izy fa nankasitraka an'i Merkel noho ny fahatsorany ary, nilaza mivantana, ny fanapaha-kevitry ny mpitondra Alemà vao haingana ny hiala amin'ny fahefana, dia nankalaza an'i Alexeyeva ho “mpiaro ny lavo, ny mijaly, ny mahantra” i Vohidova.

“Na izany na tsy izany dia iray ihany ny lalana (mankany amin'Andriamanitra)! Ary io lalana io dia làlan'ny voninahitra, ny finiavana sy ny asa tsara, miaraka amin'ny fahamendrehan'ny olombelona, ​​madio sy maotina. Aoka isika hivavaka amin'Andriamanitra mba hangataka fa ny olona dia hitomany ho an'ny tsirairay amintsika miaraka amin'ny ranomasom-pankasitrahana! “Hoy i Vohidova nanoratra.

Fanamarihan'ny toniandahatsoratra: Hita ato amin'ny Global Voices ny momba momba an'i Fayzinisso Vohidova fohifohy tao amin'ny lahatsoratra navoaka tamin'ny taona 2016 mitondra ny lohateny hoe Ireo reny Tajik miisa enina maneno indrindra ao amin'ny Facebook [13] [mg izany hoe amin'ny teny malagasy].