‘Na dia nandao antsika aza izy dia namela lesona ho antsika': Tohina noho ny fahafatesan'ilay mpiaro ny zon'olombelona tsy misy tahotra i Tajikistan

Fayzinsso Vohidova. Pikantsary nalaina tao amin'ny Fantsona YouTube CATV News.
Nodimandry ny 4 Janoary 2019 i Fayzinisso Vohidova, mpisolovava malaza Tajik iray izay fanta-daza noho ny fahavononany hiaro ireo voasambotra ara-politika sy ny fanakianana tsy mitsaha-mitombo ny rafitra tsirefesimandidy ao Tadjikistan.
Tao amin'ny Facebook, izay mihavitsy hatrany ny fanakianana misokatra ny manampahefana ao amin'ity firenena Aziatika Afovoany ity, nitantara ny tantarany manokana ny fitobaky ny alahelo .
Renim-pianakaviana mananjanaka telo i Vohidova, nofaritan'ireo mpankafy azy ho “Gurdofarid”, izay manondro maherifo Persiana fahiny tsy manantahotra avy ao amin'ny tononkalo Persiana Shahnameh .
Niady tamin'ny pnemonia izy ka resy herinandro monja taorian'ny nankalazany ny faha-55 taonany.
Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, niharan'ny fandrahonana matetika avy amin'ny manampahefana Tajik i Vohidova, sy ny teny mihoapampana avy amin'ireo mpanohana ny fitondrana ary ny famerana ny hetsika momba ny asany.
Na dia nisoroka ny fisamborana aza izy, dia naato ny fahazoan-dàlan'i i Vohidova hampihatra ny lalàna ary tsy afaka niala ny firenena tamin'ny fotoana nahafatesany.
Nanoratra andiana fifanakalozan-kevitra mampihetsi-po sy mifampizaràna betsaka tao amin'ny Twitter ho fanomezam-boninahitra ilay vehivavy izay heverina ho namana sy mpiara-miasa aminy i Steve Swerdlow avy ao amin'ny vondrona Human Rights Watch.
Early this morning the world lost a wonderful person, #humanrights hero, a fearless lawyer, an opposition figure, a fighter for women's rights and for basic human dignity: #Tajik human rights lawyer Fayziniso Vohidova, who died in Khujand from complications due to pneumonia (.) pic.twitter.com/Bc6JRHzRhC
— Steve Swerdlow (@steveswerdlow) January 4, 2019
Namoy olona mahafinaritra izao tontolo izao vao maraimbe androany , olona maherifo mpiaro ny zon'olombelona, mpisolovava tsy misy tahotra, mpanohitra , mitolona ho an'ny zon'ny vehivavy sy ho an'ny fahamendrehana mahaolombelona: ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona Tajik Fayziniso Vohidova, izay maty tao Khujand noho ny fahasarotana tamin'ny pnemonia (.)
‘Reny be herimpo’
Teraka tao amin'ny distrika lavitra any avaratr'i Tadjikistan i Vohidova ary nianatra lalàna tao amin'ny Oniversitem-panjakan'i Moskoa malaza.
Anisan'ny mpikambana ao amin'ny antoko Sosialy Demokratika mpanohitra ao Tadjikistan izy, nomena azy ny anarana ho mpiaro ireo tanora migadra noho ny fiampanga ho mahery fihetsika avy amin'ny mpitondra laika.
Rehefa nosamborina ny mpitati-baovao tao amin'ny BBC, Urinboy Usmonov, noho ny fiampangana toy izany tamin'ny taona 2011 dia lojika ihany raha nandray an-tanana ny raharaha i Vohidova. Nomelohina i Usmonov saingy noafahana tany am-ponja satria nisarika ny mason'ny fampitam-baovao iraisam-pirenena ilay firenena.
Mpanao gazety iray hafa ao amin'ny BBC, nanoratra tao amin'ny Facebook i Darius Raja bian avy ao Londra fa mbola tsy nisy toy izany ny fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto momba ity fahafatesan'ilay mpiaro ny zon'olombelona ity:
Ҳаргиз Файзбуки Тоҷикистон ин ҳама сӯгвор набуд ва ин ҳама файз намеборид, ки ҳоло меборад. Рафтанаш ҳам дарсе буд…
Tsy mbola nisaona tahaka ny hita ankehitriny ny Facebook Tajik. Na dia nandao antsika aza izy dia namela lesona ho antsika.
Mpitati-baovao iray hafa, Anora Sarkorova, namaritra an'i Vohidova ho “voninahitra sy feo fieritreretan'ny firenena Tajik.”
“Tsy nangina izy rehefa misy olona tsy sahy miatrika ny zava-misy. Nanao vivery ny ainy isan'andro izy ary nahafantatra ny hasarobidin'izany, ” hoy i Sarkorova nanampy.
Feno fiarahabana ny fitsingerenan'ny taona nahaterahany roa herinandro lasa izay ny rindrin'ny Facebook-n'i Vohidova manokana ary nitobaka ny fiaraha-miory ankehitriny.
Nandrava ity fahanginana ity ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy Tajik izay notapenam-bava nandritra ny taona faramparany, noho ny fikendren'ny fanjakana ireo mpitsikera an-tserasera, mba hanehoana ny alahelony lalina tamin'ny fahalasanan'i Vohidova sy ny tsy fahazoan'izy ireo mampihatra ny zony.
Ao anaty firenena iray liana amin'ny poezia dia mety tsy mahagaga loatra raha misy ny sasany tamin'ireo mpisera no naneho ny adin-tsain'izy ireo tamin'ny andinin-tononkalo.
Nanoratra ilay mpisera Facebook Abduqodir Rustam hoe :
Боли мурғи озоди адолат шикаст! Модари ҷасорат мурд! Дар ин чанд соли охир худро боре ҳам чунин танҳо эҳсос накарда будам, агарчи боре ҳам ӯро надида ва рӯ ба рӯ суҳбат накарда будем……. Алвидоъ Файзинисо!
Rava ny elatry ny voron'ny fahafahana sy ny rariny! Maty ny renin'ny herimpo! Tsy mbola nahatsiaro ho manirery toy izao aho tato anatin'ny taona vitsy izay, na dia tsy mbola nihaona taminy aza aho (Fayzinisso) ary niresaka taminy. Mandria am-piadanana, Fayzinisso!
Ny 9 Desambra 2018, tao amin'ny lahatsorany farany tao amin'ny Facebook, nanoratra momba ny vehivavy roa izay nankasitrahany indrindra i Vohidova – ilay Sojabe Alemà Angela Merkel sy ilay Rosiana mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza Lyudmila Alexeyeva, izay maty omalin'io.
Raha nanoratra izy fa nankasitraka an'i Merkel noho ny fahatsorany ary, nilaza mivantana, ny fanapaha-kevitry ny mpitondra Alemà vao haingana ny hiala amin'ny fahefana, dia nankalaza an'i Alexeyeva ho “mpiaro ny lavo, ny mijaly, ny mahantra” i Vohidova.
“Na izany na tsy izany dia iray ihany ny lalana (mankany amin'Andriamanitra)! Ary io lalana io dia làlan'ny voninahitra, ny finiavana sy ny asa tsara, miaraka amin'ny fahamendrehan'ny olombelona, madio sy maotina. Aoka isika hivavaka amin'Andriamanitra mba hangataka fa ny olona dia hitomany ho an'ny tsirairay amintsika miaraka amin'ny ranomasom-pankasitrahana! “Hoy i Vohidova nanoratra.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...