- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malawi: Fanehoankevitra momba ny fananganan-jaza faharoa an’i Madonna

Sokajy: Malawi, Lalàna, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Hahita ity firenena Afrikana ity ireo izay mbola tsy naheno mihitsy momba an’i Malawi, tamin’ny alàlan’ny fahasoavan’i Madonna fotsiny ihany izany, izay tsy mahafantatra ny anarany feno [1] ny ankamaroan’ny olona

Toa faly ny ankamaroan’ny Malawita, raha ny marina mahita ireo ankizy mahantra natsangan’i Madonna ao amin’ny fireneny, na dia eo aza ny ahiahy mety haterak’ity zava-miseho ity.

Rehefa tonga tany Malawi i Madonna mba hanangana an’i David Banda [2] tamin’ny taona 2006 dia nifangaro ny fanehoankevitra. Niely ny tsaho rehefa nifarana ny adihevitra momba ity fananganan-jaza voalohany ity, izay nilaza fa nandeha tany Malawi ilay kintan’ny Pop mba hanangan-jaza hafa indray ; saingy tamin’ity indray mitoraka ity, zazavavy iray antsoina hoe Chifundo (Mercy) James izany.

Nilaza ilay bilaogera Rex Chikoko [3] fa tamin’ity indray mitoraka ity dia toa nisedra fahasarotana ny fahatongavan’i Madonna satria nilaza ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana Tampony Esme Chombo fa manakana an’i Madonna hanangana ilay zaza voakasika ny lalànan’ny fananganan-jaza ao Malawi satria efa nipetraka 18 volana teo ho eo tany Malawi izy. Saingy noho ny fampakarana ny raharaha tao amin’ny Fitsarana Tampony [4] dia nandresy i Chifundo, amin'ny filazana fa ny fijanonana ao amin’ny firenena iray, amin’ny tontolo maoderina, dia azo alaina na aiza na aiza ary manan-jo hanana trano fonenana mihoatra ny iray ny olon-drehetra.

Maro ireo Malawita no naneho hevitra ary ny hafa kosa nanohy ny adihevitra sy niresaka momba ny hoavin’i Malawi manoloana ity fanampahan-kevitry ny Fitsarana Tampony ity.

Tonga tany Londres i Chifundo, nandritra izany fotoana izany [5]

La nouvelle fille de Madonna a quitté son pays natal le Malawi par avion privé en direction de Londres, ont déclaré samedi 20 juin un fonctionnaire de l'aéroport et une personne familière des procédures d'adoption de Madonna dans ce pays du sud de l'Afrique.
Le fonctionnaire de l'aéroport, s'exprimant sous condition d'anonymat, car il n'a pas l'autorisation de parler à cette affaire, a déclaré que Chifundo “Mercy” James, 3 ans, est partie pour Londres vendredi (19 juin) dans la soirée, avec un escale dans l'Afrique du Sud voisine. La petite fille, deuxième enfant malawien adopté par Madonna, a été accompagnée pendant son vol par une nounou, une puéricultrice et une assistante.

Nandao an'i Malawi tanindrazany ny zanakavavy vaovaon’i Madonna, nandeha fiaramanidina manokana nankany Londres, hoy ny nambaran’ny manampahefana tao amin’ny seranam-piaramanidina ny Asabotsy 20 Jona sy ny olona iray efa zatra ny dingana fananganan-jaza ataon’i Madonna any amin’ity firenena any Atsimon’i Afrika ity.
Nilaza ity manampahefana ao amin’ny seranam-piaramanidina ity izay tsy nitonona anarana satria tsy nahazo alàlana hiresaka momba ity raharaha ity izy fa lasa any Londres ny harivan’ny zoma 19 Juin 2009 i Chifundo ‘’Mercy’’James, izay 3 taona ary niaraka tamin’ny fiatoana kelin’ny fiaramanidina tao Afrika Atsimo teo akaiky teo. Nandritra ny diany dia niaraka tamin’ny mpitaiza iray, infirmieran-jaza iray ary mpanampy iray ity zazavavy kely ity izay malawita faharoa natsangan’i Madonna.

Tezitra tamin’ny lahatsoratra [6] momba ity fananganan-jaza ity izay naneso an’i Malawi navoakan’ny The Guardian izay nosoratan’i Jacques Peretti ilay mpanao gazety sady bilaogera Malawita Kondwani Munthali, sy tamin’ny lahatsoratra iray hafa nivoaka tao amin’ny Mirror, izay nilaza fa nividy ny vahoaka Malawita tamin’ny vola mitentina 19 tapitrisa dolara Amerikana na [ 13,5 tapitrisa euros] i Madonna ho takalon’ny zaza iray. Lahatsoratra vao maika tena manafintohina. Hoy i Munthali :

Mr. Peretti, quand il va retourner au Malawi, nous le ramènerons dans nos écoles de journalisme où il pourra apprendre à rapporter des «faits» et non pas seulement ses propres élucubrations, comme il l'a fait. Il affirme qu'il y a au Malawi un charnier où nous enterrons trois bébés chaque jour, mon oeil.

Rehefa miverina any Malawi i Atoa Peretti dia haverintsika any amin’ny sekolin’ny asa fanaovan-gazety izay ahafahany mianatra momba ny fanaovana tatitra ny «zava-misy» fa tsy ny eritreriny fotsiny ihany, tahaka ny nataony. Nanamafy izy fa misy fasana faobe any Malawi izay toerana handevenana zaza miisa 3 isan’andro, aza mandainga.

Nanambara i Munthali fa ny antony nanoratany ity lahatsoratra ity dia ny mba hamerenana ny marina momba ity fananganan-jaza farany nataon’i Madonna ity.

Ao anatin’ity adihevitra ity dia nanamafy ny bilaogera hafa iray Ndagha [7] fa tsy azony mihitsy ny antony mbola nanomezana an’i Madonna ity zaza faharoa ity.

Niantso an’i Madonna ho ‘Mpanao asa soa anay’’ ny olona sasany ao Malawi, noho ireo fanomezana toy ny vola ho an’ny vahoaka malawita ary indrindra indrindra ho an’ireo zaza vitsivitsy tsara vintana [8] izay mandray soa avy amin’ny fandaharan’asany antsoina hoe Raising Malawi.

Tsara homarihina fa misy ihany koa ny fanehoan-kevitra hafa momba ny fananganan-jaza nataon’i Madonna tao Malawi, saingy tsy voarakitra tao amin’ity firenena ity izany.

Raha nihamaro ny fanehoan-kevitra, ny zavatra nijanona tao an-tsain’ny vahoaka Malawien dia ny ahafantatra raha toa ka tsy ho tonga any Malawi intsony i Madonna sy ireo olo-malaza hafa mba hanangan-jaza indray, noho ity didim-pitsarana naterak’ity fanampahan-kevitry ny Fitsarana Tampony tao Malawi ity.