- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera/mpanao gazety Toniziana nosamborina

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)
Vaovao farany: Nosazian'ny  [1]fitsarana Toniziana androany higadra herintaona an-tranomaizina ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir noho ny “herisetra tamin'ny mpiasam-panjakana”.
Nosamborina [2] tamin'ny 26 Novambra ity bilaogera sady mpanao gazety Toniziana malaza Slim Boukhdir ity voampanga ho nanao “herisetra tamin'ny mpiasam-panjakana” sy “nanao tsinontsinona ny henatra imasom-bahoaka”. Araka ny filazan'ny Komity mpiaro ny mpanao gazety, [3] nolavin'ny fitsarana ny famotsorana azy ary ho atao rahampitso 4 Desambra ny fotoam-pitsarana azy. Mety higadra hatramin'ny 18 volana an-tranomaizina i Slim Boukhir.

 

Boukhdhir during his hunger strikeSlim Boukhdhir nandritra ny fitokonana tsy hihinan-kanina.

Nandritra ny herintaona, nanao fitokonana tsy mihinan-kanina maromaro i Boukhdhir mba hanoherana ny fanorisorenana ataon'ny governemanta sy ny fameperana ara-politika azy amin'ny zony hiala ny firenena. Tamin'ny 1 Novambra ny fitokanany tsy hihinan-kanina farany indrindra mba hanoherana ny fandàvan'ny manampahefana hanome azy pasipaoro.

Niharan'ny fanorisorenana hatrany  [4]i Slim Boukhdir, niharan'ny herisetra ary norahonan'ny polisy manao fanamiana sivily sy ireo jiolahimboto akaikin'ireo vinantolahin'ny filoha Ben Ali. Rehefa very asa amin'ny maha-mpanao gazety tao amin'ny gazety “Akhbar Al-Joumhurya” (Vaovaon'ny Repoblika) tamin'ny Aogositra 2004, nanomboka nibilaogy tao amin'ny Arabic Blog Service: Maktoob Blog  [5]i Slim Boukhdhir. Saingy tamin'ny volana Jolay 2007, voajirika sy voafafa [6] ny bilaoginy [7].