Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bilaogera/mpanao gazety Toniziana nosamborina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)
Vaovao farany: Nosazian'ny fitsarana Toniziana androany higadra herintaona an-tranomaizina ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir noho ny “herisetra tamin'ny mpiasam-panjakana”.
Nosamborina tamin'ny 26 Novambra ity bilaogera sady mpanao gazety Toniziana malaza Slim Boukhdir ity voampanga ho nanao “herisetra tamin'ny mpiasam-panjakana” sy “nanao tsinontsinona ny henatra imasom-bahoaka”. Araka ny filazan'ny Komity mpiaro ny mpanao gazety, nolavin'ny fitsarana ny famotsorana azy ary ho atao rahampitso 4 Desambra ny fotoam-pitsarana azy. Mety higadra hatramin'ny 18 volana an-tranomaizina i Slim Boukhir.

 

Boukhdhir during his hunger strikeSlim Boukhdhir nandritra ny fitokonana tsy hihinan-kanina.

Nandritra ny herintaona, nanao fitokonana tsy mihinan-kanina maromaro i Boukhdhir mba hanoherana ny fanorisorenana ataon'ny governemanta sy ny fameperana ara-politika azy amin'ny zony hiala ny firenena. Tamin'ny 1 Novambra ny fitokanany tsy hihinan-kanina farany indrindra mba hanoherana ny fandàvan'ny manampahefana hanome azy pasipaoro.

Niharan'ny fanorisorenana hatrany i Slim Boukhdir, niharan'ny herisetra ary norahonan'ny polisy manao fanamiana sivily sy ireo jiolahimboto akaikin'ireo vinantolahin'ny filoha Ben Ali. Rehefa very asa amin'ny maha-mpanao gazety tao amin'ny gazety “Akhbar Al-Joumhurya” (Vaovaon'ny Repoblika) tamin'ny Aogositra 2004, nanomboka nibilaogy tao amin'ny Arabic Blog Service: Maktoob Blog i Slim Boukhdhir. Saingy tamin'ny volana Jolay 2007, voajirika sy voafafa ny bilaoginy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.