- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brunei: Twestival Mampiray ny Mpiondana Aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2011)

Ny 24 Martsa 2011, tao Brunei no nanao ny hetsika voalohany [1] fanokafana azy ny Twestival [2], izay nanamarika andro iray manokana teo amin'ny sehatry ny media sosialy tao an-toerana. Ny teny faneva nofinidy dia ny ‘Tweet.Meet.Eat.Give [3]‘ (Mibitsika.Mihaona.Mihinana.Manome) mba hanangonana vola ho an'ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy, ho fandraisana anjara amin'ny Andro Manerantany ho an'ny soritraretina Down. Tanjona iray hafa an'ny Twestival ny hampifandrohy ny vondrom-piarahamonina Twitter ao an-toerana ety ivelan'ny tambajotra sy hanome azy ireo fahafahana iray hifankahita mivantana.

Ny Twestival tao Brunei  dia tohanan'ny Kitaro Japanese Restaurant sy ny Swensens Cafe & Restaurant, izay nanaiky ny handray fifaninanana mihinan-kanina ho fanohanana ilay asa soa. Ny vola voaray avy amin'ilay  hetsika dia ho ampiasaina hividianana fitaovana vaovao sy kilalao ara-panabeazana ho an'ireo ankizy ao amin'ilay Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy.

[4]

Nisy fanamby iray fihinanana sakafo natao tao amin'ny @KitaroJapanese [5] Restaurant  nialoha ny tena Twestival, ka tamin'izany ireo mpifaninana dia tsy maintsy nihinana sushi iray lovia.  Tena nanampy betsaka tamin'ny fanantontosàna ny hetsika Twestival i BorneoColours [6] (@marul69 [7]), iray tamin'ireo tonga tamin'ny famaranana tamin'ny Fifaninanana Borneo Blogger tamin'ny taona 2010, ary nampakatra lahatsary iray ahitàna ny iray tamin'ireo nandresy tamin'ny Sumo Challenge [8].

Tao amin'ny Swensen's Cafe & Restaurant, ny Fanamby Swensen Goavana dia nitakiana tamin'ireo mpandray anjara mba hihinana ilay glasy lehibe im-balon'ny fandraofana, ary milanja tsirairay eo amin'ny  85 grama, natao anaty lovia iray goavana ampiarahana amin'ny ‘crème fouettée‘ sy fangaro mamy hafa. Tonga namaly ny antso sy nandray anjara tamin'ilay hetsika ireo maherifon'ny bilaogy tao an-toerana, toa an-dry @ranoadidas [9], @anakbrunei [10], Senor Pablo [11], @kurapak [12] sy @maurina, [13] raha tsy hilaza afa-tsy ireo.

Nanamarika tao amin'ny bilaoginy i @BruneiTweet [14], iray tamin'ireo tena mpanomana ny Twestival Brunei 2011 [15], fa marobe ireo nanatrika ary betsaka ny vola azo tamin'ity taona ity.

Ny vola dia voaangona avy amin'ny ampahan'ireo tombony tamin'ny varotra sakafo tao amin'ny Kitaro Japanese Restaurant Brunei tamin'ny 22 Martsa 2011, ary avy amin'ny fivarotana glasy sy sakafo ho an'ny ankizy tao amin'ny Swensen ao Brunei (ny 20 Martsa 2011 sy 24 Martsa 2011). Ny antontam-bola azo dia tafakatra hatramin'ny BND$1,573.82 ary nalefa hividianana kilalao ara-panabeazana, ary fitaovana fampianarana ho an'ireo ankizy izay manaraka fitsaboana ao amin'ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy.

Nanerana ireo hetsika tao an-toerana, nanakaiky ny 500 ny isan'ireo olona tonga nanotrona, betsaka ireo mpinamanaa Twitter sambany vao nifankahita tao…

Iray hafa tamin'ireo mpikarakara  nanararaotra nisaotra ireo olona nanana ny naha-izy azy tonga nirotsaka an-tsitrapo mba hanampy hahatonga ny Twestival Brunei 2011 ho fahombiazana i @emmagoodegg [16],, tao anatin'ny lahatsorany [17] vao haingana tao amin'ny borneocolours [6]:

Teny an-dàlana teny izahay dia nahazo ireo olona maro manana fo antra izay nanampy tamin'ny fanamboarana ny fango (@jidah [18]), ny resaka teknika (@thewheat [19], @mfirdaus [20] & @talkingaloudbru [21]), ireo pitsopitsony any ambadiky ny sehatra (@faeyakof [22] & sy ny tarika @ubdfm [23]), PR (ireo namanay eto an-toerana amin'ny resaka media sôsialy), ao anatin'ireny ireo mpanohana (Swensens & @kitarojapanese [24]) sy ny daholobe izay tonga nandany ny volany sy ny fotoanany.

Mpamokatra rakipeo iray ao an-toerana i @talkingaloudbru [25] izay tonga tao amin'ilay hetsika sy nahavita nanao antsafa tselika nandritra ilay hetsika nialoha ny tena Twestival [26] tao amin'ny @KitaroJapanese [27] Restaurant. Izy koa dia iray tamin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo nampahafantatra ny fisian'ny hetsika ary nanao ‘fandraketana mivantana’ [28] tao amin'ny Swensens nandritra ilay tena vanimpotoana lehibe. Azonareo henoina eto [29] ireo rakipeo tamin'ilay hetsika mialoha ny tena twestival ary eto [30] ireo rakipeo tamin'ny Twestival Brunei .

@kurapak [12], iray amin'ireo bilaogera fantadaza ao Brunei, naneho ny fanohanany an'ilay hetsika tamin'ny famoronana poster mahatsikaiky iray nampiasàna ny fangon'ny Twestival Brunei teo amin'ny tranonkalany [31]. @johnreydangilan [32] teo amin'ny bilaoginy theasianbimbo dia nanao fampisehoana nandritra ireo hetsika roa nialoha [33] sy ilay tena twestival [34].

Feno endrika mahazatra ao amin'ny Twitter ary nampahatahotra ahy ny hoe ho afaka mihaona amin-dry zareo ireny. Olona iray nahiliky ny fiarahamonina aho ka ho ahy ny hifangaro ao anaty ranomasimben'ireny olona ireny dia somary mitovy amin'ny fotoana iray “hahalatsaka izay tsy tokony ho latsaka ao anaty patalohako ao / hampihoaka mandoa ahy”.

Amin'ny maha-olona feno antra araka izay ilazako ny tenako, faly aho ny ho afaka handray anjara amin'io hetsika ivelan'ny twitter io, mba hanaovana asa soa iray. Mbola lehibe lavitra aza ny hafaliana ho ahy hahita ireo olona izay nifampiresahako tao amin'ny twitter ary ireo vitsivitsy izay nahafantatra sy nanaiky ahy na teo aza ireo vavabe nataoko tetsy tsy teroa.

Feno sary misimisy kokoa avy tamin'ilay hetsika azo raisina ao amin'ny bilaogin [35]‘i@anakbrunei, tranonkalan'i [36]  @ranoadidas. Ireo nikarakara ny Twestival Brunei 2011 : @BruneiTweet [14], @emmagoodegg [37] ary @zulfadly [38].