- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Voasivana ny Flickr ary naneho hevitra ny vondrom-piarahamonina Flickr

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voasakana tany Shina nanomboka ny 7 Jona 2007 ny Flickr [1], tranonkala fifampizarana sary malaza: ” Toa voasakana ho an'ireo mpisera ao amin'ny ankamaroan'i Shina ny fidirana amin'ny lohamilina fandefasana sary. Nijery izany lalina ny  ekipanay ara-teknika ary nahita fa tsy olana ara-teknika avy aminay izany. Nanara-maso ny toe-draharaha izahay ary hanome vaovao raha misy ny fivoarana “, hoy ny Tale Jeneralin'ny Flickr, Stewart Butterfield [2], tao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra ho an'ny fanampiana [3] .

Araka ny tatitra nataon'i John Kennedy tato amin'ny Global Voices teo aloha [4], ny anton'ny fandraràna ny Flickr dia mety noho ny sary-tatitra momba ny hetsi-panoherana tao Xiamen [5] izay nalefa tao amin'ny flikr [6] .

Nanolotra ny fanohanany [7] ho an'ny vondrom-parahamonin'ny Flickr Shinoa ary nampiditra tovana “Ry Shinoa Ahoana No..” [8] i Hamed Saber, ny mpandrafitra an-tseraseran'ny Access Flickr! [9] ao amin'ny Firefox [10] (jereo ny antsafa nifanaovany tamin'ny Global Voices [11]) izay nandray anjara tamin'ny adihevitra mahaliana [12] momba ny Rindrin'Afo Lehibe ao Shina [13].