(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Voasakana tany Shina nanomboka ny 7 Jona 2007 ny Flickr, tranonkala fifampizarana sary malaza: ” Toa voasakana ho an'ireo mpisera ao amin'ny ankamaroan'i Shina ny fidirana amin'ny lohamilina fandefasana sary. Nijery izany lalina ny ekipanay ara-teknika ary nahita fa tsy olana ara-teknika avy aminay izany. Nanara-maso ny toe-draharaha izahay ary hanome vaovao raha misy ny fivoarana “, hoy ny Tale Jeneralin'ny Flickr, Stewart Butterfield, tao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra ho an'ny fanampiana .
Araka ny tatitra nataon'i John Kennedy tato amin'ny Global Voices teo aloha, ny anton'ny fandraràna ny Flickr dia mety noho ny sary-tatitra momba ny hetsi-panoherana tao Xiamen izay nalefa tao amin'ny flikr .
Nanolotra ny fanohanany ho an'ny vondrom-parahamonin'ny Flickr Shinoa ary nampiditra tovana “Ry Shinoa Ahoana No..” i Hamed Saber, ny mpandrafitra an-tseraseran'ny Access Flickr! ao amin'ny Firefox (jereo ny antsafa nifanaovany tamin'ny Global Voices) izay nandray anjara tamin'ny adihevitra mahaliana momba ny Rindrin'Afo Lehibe ao Shina.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...