Pakistan: Nakatona indray ny blogspot.com

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Nitatitra ny The Don’t Block The Blog androany fa nosakanana tao Pakistana indray ny fidirana amin'ny sehatra fibilaogiavana malaza blogspot.com, izay an'ny Google Inc:

For about four months (since May, 2007) Google fortunately had changed the IP address of its Blogspot servers. The new IP addresses were not demarcated as prohibited by the censorship filters located at the Pakistan Internet Exchange. Today, for some odd reason, Google has suddenly reverted back to its original IP address, which has been on the block list since March of 2006. This move has resulted in the blocking of all internet traffic to the blogspot.com domain. Millions of blog readers in Pakistan now are unable to read or and interact with any of these websites.

Nandritra ny efa-bolana (hatramin'ny volana May 2007) dia soa ihany fa nanova ny adiresy IP amin'ny lohamiliny Blogspot ny Google. Tsy voafaritra ho sokajiana ho  voararàn'ny sivana ao amin'ny Pakistan Internet Exchange ny adiresy IP vaovao. Androany, noho ny antony tsy fantatra, niverina tampoka tao amin'ny adiresiny IP voalohany ny Google, izay tao anatin'ny lisitry ny fanakanana nanomboka tamin'ny Martsa 2006. Nahatonga ny fanakanana ny fifamoivoizana rehetra amin'ny aterineto ao amin'ny anarana-tsehatra blogspot.com izany fihetsika izany. Tsy afaka mamaky na mifandray na dia iray amin'ireo tranonkala ireo ny mpamaky bilaogy an-tapitrisany any Pakistana.

Natomboka ny fanentanana “Don’t Block The Blog” ho setrin'ny fandraràna napetraky ny Pakistan Telecommunication Authority (PTA) mihatra amin'ny Blogspot.com, sehatra famahanam-bilaogy, herintaona mahery lasa izay, tamin'ny 3 Martsa 2006.

Azonao atao ny mamaky ny tafatafa teo aloha nifanaovana tamin'i Omer Alvie, mpiara-manorina ny (DBTB) momba ny fandraràna sy ny hetsika Pakistaney ho fanohanana ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.

Ity lahatsary flash ity dia novaina tao amin'ny famoahana Powerpoint nataon'i  Dr Awab Alvi ho an'ny kaoferansa “The Battle for the Internet” na ny Ady ho an'ny aterineto (Azo jerena ato ny tahiry orizinaly ny fampahafantarana nataony)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.