Tantara tamin'ny 11 Janoary 2019
Brunei: Twestival Mampiray ny Mpiondana Aterineto
Nahavory ireo bilaogera sangany sy mpisehatra aterineto avy amin'ny lafivalon'ny firenena ilay Twestival Brunei voalohany ho fanohanana ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy, vondrona iray izay manome fanohanana ho an'ireo ankizy manana filàna manokana.
Maoritania: Fisamborana ny mpiandraikitra ny Taqadoumy.com
Nosamborina tamin'ny 18 Jona 2009 i Hanevy Ould Dahah, 32 taona, mpanorina sady talen'ilay tranonkalam-baovao sangany ao Maoritania www.taqadoumy.com , tao Nouakchott. Mpitandro filaminana tsy nampiseho taratasy milaza ny vesatra anenjehana azy no namatotra sy nitondra azy ho any amin'ny paositry ny polisy tao an-drenivohitra Maoritaniàna.
Nakaton'i Syria ny Wikipedia Arabo
Araka ny filazan'ny bilaogy anasonline, nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao Syria ankehitriny ny fidirana ao amin'ny Wikipedia Arabo, endrika raki-pahalalana Wikipedia amin'ny teny Arabo
Natao fisavana manokana tao amin'ny tranombarotra serba goavana iray, niampanga ilay fivarotana ho mpanavakavaka ity Roma mpihira opera ity
Nirehitra ny tambajotra sosialy Serba rehefa nampangain'i Nataša Tasić Knežević, mpihira opera sady superstar malaza, Roma fiaviana, ho mpanavakavaka ny tranombarotra iray goavana tao an-tanànan'i Novi Sad, tamin'ny fandefasana lahatsary mivantana tao amin'ny facebook.
Bilaogera/mpanao gazety Toniziana nosamborina
Vaovao farany: Nosazian'ny fitsarana Toniziana androany higadra herintaona an-tranomaizina ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir noho ny "herisetra tamin'ny mpiasam-panjakana".
Pakistan: Nakatona indray ny blogspot.com
Nitatitra ny The Don’t Block The Blog androany fa nosakanana indray tao Pakistana ny fidirana amin'ny sehatra fibilaogina malaza blogspot.com, izay an'ny Google Inc:
Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra
Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ireo mpisera ao Sodàna, Siria, Iràna, Kiobà ary Korea Avaratra, tafiditra ao anatin'ny ezaka hifandrindra amin'ny fepetra amerikàna momba ny fanondrànana harena sarobidy any amin'ireny firenena ireny. Ny Alahady, ,ilaza ny SourceForge fa nesorina ireo fibahanana, ary navoakany ny stratejiany vaovao hifandrindra amin'ny lalàna amerikàna.
‘Na dia nandao antsika aza izy dia namela lesona ho antsika': Tohina noho ny fahafatesan'ilay mpiaro ny zon'olombelona tsy misy tahotra i Tajikistan
"Tsy nangina izy rehefa misy olona tsy sahy miatrika ny zava-misy. Nanao vivery ny ainy isan'andro izy ary nahafantatra ny hasarobidin'izany. "
Malawi: Fanehoankevitra momba ny fananganan-jaza faharoa an’i Madonna
Hahita ity firenena Afrikana ity ireo izay mbola tsy naheno mihitsy momba an’i Malawi, noho i Madonna fotsiny ihany, izay tsy mahafantatra ny anarany feno ny ankamaroan’ny olona. Toa faly ny ankamaroan’ny Malawita, mahita ireo ankizy mahantra natsangan’i Madonna, na dia eo aza ny ahiahy mety haterak’ity zava-miseho ity.
Jordania: Mety ampiditra anao am-ponja ny mandefa mailaka sy manoratra tononkalo an-tserasera!
Araka ny gazety Jordaniana Al-Ghad, Jordaniana iray hafa no voasazy 18 volana an-tranomaizina noho ny nanoratany sy namoahany tononkalo tao amin'ny tranokalan'i Jihadi izay nidera ny mpitarika Al Qaeda Osama Ben Laden. Nosamborina tamin'ny 9 Aogositra 2007 i Mohammed Al-Zohairi, izay nolazaina ho "Poetan'i Al Qaeda ".