10 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 10 Janoary 2019

Navoaka ny fonja i Monem

GV Mpisolovava  10 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Afaka ilay bilaogera Ejipsiana sady mpanao gazety Abdel Monem Mahmoud. “Tonga tao an-tranony tany Alexandria i Monem, tsy ampy ora roa izay, rehefa navotsotry ny polisy,” hoy ny fanambarana iray navoaka tao amin'ny tranokala Brothers English nahitana saripika vao haingana...

Nosakanan'i Maraoka ny fidirana tamin'ny YouTube

GV Mpisolovava  10 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny 25 May 2007 dia notaterin'ny bilaogera Maraokana marobe fa nosakanan'i Maraoka ny fidirana tamin'ny tranokala fifampizarana lahatsary YouTube. Maro ny fanombatombanana fa noho ny fandefasana ny lahatsary mitsikera ny mpanjakan'ny firenena sy ny mpanohana an'i Sahara Andrefana no...

Niakatra fitsarana ilay Alzeriana bilaogera

GV Mpisolovava  10 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny 11 Jona 2007, no fotoana voalohany niakaran'ilay bilaogera Alzeriana fitsarana noho ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny bilaoginy manokana. Notorian'ny Talen'ny Raharaha Ara-pivavahana tao amin'ny Tlemcen, izay niampanga azy ho namoaka lahatsoratra fanalam-baraka tao amin'ny bilaoginy manokana tamin'ny 20 Febroary...

Tokony avotsotr'i Ejipta mialoha ny fifidianana ho vaomieran'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona ireo bilaogera

GV Mpisolovava  10 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tokony hanafaka ireo bilaogera nogadraina i Ejipta alohan'ny fifidianana Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona , hoy ny Mpanara-maso ao amin'ny Firenena Mikambana, fikambanana iray miaro ny zon'olombelona ao Geneva tao anatin'ny fanambarana iray izay navoakany. Ankoatra ireo...