Mihodidina ny lapam-panjakana Toniziana ny lahatsarin'ny zon'olombelona

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny mey 2008)

Nosakanan'i Tonizia ny fidirana amin'ny habaka roa malaza amin'ny fifampizarana lahatsary, dia ny Youtube sy ny Dailymotion mba isorohana amin'ny fidiran'ny Toniziana mpiserasera tsy hijery votoatin-dahatsary manasongadina fijoroana vavolombelona avy amin'ny gadra politika sy ny mpikatroky ny zon'olombelona. Na izany aza, araka izay hita amin'ity ohatra ity, nahombiazana tamin'ny fanaovana fahirano ny lapam-panjakana toniziana ao Carthage ny mpikatroka an-tserasera toniziana avy ao amin'ny Nawaat.org natao tao amin'ny Google Earth, ary nahitana lahatsarin'ny zon'olombelona am-polony.
Ary azonao atao ny manavatsava mijery lahatsary miresaka zon'olombelona maro kokoa rehefa misidina ambonin'ny faritra sy tanàna toniziana hafa ao amin'ny Google ianao, tahaka an'i Bizerte, Kef, sns.

Koa aza misalasala mitroka ity dosie kmz (Keyhole Markup Zip) ao amin'ny Google ity izay hiandoha amin'ny fidirana Google Earth ary hampisidina anao ho any amin'ny lapam-panjakana ao Carthage.

Jery ao amin'ny Google Earth: kml: 2.0activism  2.0 activism

Ho famelomana ny velatra (layer) Google YouTube, dia mila misosa mankany amin'ny tolotra “Layers” eo amin'ny ilany ankavia amin'ny Google Earth ianao. Sokafana (tendrena) ny vona “Gallery” eo amin'ny layers (velatra) hivoahan'ny velatra “Youtube”. Rehefa notendrenao ny efajoro eo anilan'ny Youtube Layer dia hivoaka manerana ny glaoby ny ikônina Google YouTube rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.