- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Nosamborina indray ilay mpanao gazety sady bilaogera Abdallah Zouari

Sokajy: Tonizia, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)
abdallah_zouari.jpgNosamborin’ [1]ireo polisy manao fanamiana sivily omaly, 15 Septambra 2009 tao an-tanànan'i Zarzis ao atsimo, ilay bilaogera Toniziana sady gadra politika teo aloha Abdallah Zouari [2].

Nandritra ny fisamborana adiny 8, nasaina hilaza ny teny miafin'ny kaonty mailakany i Abdallah Zouari [2] ary nohadihadiana momba ny tatitra farany indrindra [3] navoakany omalin'io mialoha ny fandraràna ny tranonkala Tunisnews [4].

Nohadihadiana momba ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Zon'olombelona nitsidika azy tao anatin'ny ito taona sy ny resadresaka niarahany tamimn'ny media i Zouari. Nampitandremana i Zouari mba tsy hanao fanambarana mety handoto ny endrik'i Tonizia, na manao fanentanana manaratsy ahafahan-dry zareo manenjika azy ho nanapariaka lahatsary vetaveta sandoka hanaratsy ny lazany

Hatramin'ny namotsorana azy tamin'ny taona 2002, rehefa avy nigadra 11 taona an-tranomaizina, mbola migadra any amin'ny trano ambenana any amin'ny distrika ambanivohitra, 500 kilaometatra miala ny tranon'ny fianakaviany ao Tunis Atoa Zouari, na dia teo aza ny didim-pitsarana navoaka tamin'ny 2 Aogositra 2009 [5] izay namarana ny fanagadrana fito taona amin'ny trano ambenana.

Eo ambany fanarahamason'ny polisy hatrany Atoa Zouari, tsy mahazo miditra aterineto ary voaràra tsy hampiasa cybercafe eo an-toerana [6]. Nosamborina imbetsaka izy noho ny fanoherana ny fandraràna sy ny fampijaliana ary noho ny fifandraisana amin'ny tontolo ivelany amin'ny alalan'ny aterineto.

Mibilaogy ao amin'ny Citizen Zouari [2] i Abdallah Zouari?. Anisan'ireo bilaogy mpanakiana hafa am-polony [7] izay nakatona tao Tonizia ny bilaoginy.