- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Persiana

Sokajy: Iràna, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Tetikasa taloha tamin'ny septambra 2009)

[download#18#nohits]

blog_guide_persian-header

Efa misy amin'ny teny Persiana [1] noho ny fandikan-teny nataon'ilay bilaogera Iraniana sady namana te-hijanona tsy hotononina anarana Ny torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor.

Manasongadina fomba maromaro hiarovana ny mari-panondroana hisorohana ny valifaty ny torolalana ary afaka mampihena be dia be ny loza amin'ny zavatra soratany an-tserasera mety hamantarana azy ny fitaovana teknika.

Ny به کمک تُر و وردپرس، ناشناس وبلاگ بنویسید [1] dia azo trohana amin'ny endrika PDF.  [2]Mety mila mametraka ny Adobe Acr [3]obat Reader [3] maimaimpoana ianao raha hijery izany. Raha sendra olana ianao amin'ny fijerena ny endrika PDF an-tserasera, dia andramo ity endrika HTML  [4]mampifandray sy naman'ny bilaogy ity.

Trohy  [2]azafady ny torolàlana ary ampio izahay hanaparitaka ity fampahalalana manan-danja ity. Aza misalasala koa manampy anay handika ny torolàlana amin'ny fiteninao.

Efa misy amin'ireto fiteny manaraka ireto ny torolalana:

Anglisy [5]
Frantsay [6]
Portiogey [7]
Arabo [8]
Shinoa [9]
Italiana [4]

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org