- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efa misy amin'ny teny Frantsay ankehitriny ny torolalana mibilaogy miafina anarana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)

Download PDF [1]

Guide pour bloguer anonymement avec WordPress & Tor [1]

Efa misy amin'ny teny Frantsay [2] ankehitriny ny famahanam-bilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor [3] noho ny dikanteny nataon'ilay bilaogera Toniziana, Malek Khadhraoui [4], ary misahirana izahay manao fandikan-teny ho amin'ny fiteny hafa.

Manasongadina ireo fomba maro amin'ny fiarovana ny mari-panondroana mba hisorohana ny valifaty ny torolalana [2] ary mety afa-mampihena be dia be ny loza amin'ny fahafantarana ilay bilaogera amin'ny asa-sorany antserasera amin'ny alalan'ny fitaovana ara-teknika.

Ny “Guide pour bloguer anonymement avec WordPress & Tor [1]” dia azo trohana amin'ny endrika PDF [1]. Mety mila mametraka maimaim-poana ny Adobe Acrobat Reader [5] ianao raha hijery amin'ny PDF. Raha sendra olana ianao mijery ny endrika PDF an-tserasera, dia andramo ity endrika HTML [5] mampifandray sady mety tsara amin'ny bilaogy ity.

Azafady mifandraisa amin'izany, trohy ary manampia amin'ny fanapariahana ity vaovao manan-danja ity. Aza misalasala maka ity kaody HTML manaraka ity ary apetaho ao amin'ny blaoginao izany:

[download#4#nohits]