- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo loka avy amin'ny RSF & “Fondation de France” ilay bilaogera, Kareem Amer

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2007)

Ilay bilaogera Ejiptiana nogadraina Kareem Nabeel Sulaiman [1] no nahazo ny Loka momba ny Zon'Olombelona tamin'ny sokajy “Cyber-dissident” [2] avy amin'ny Reporters Sans Frontières (RSF) sy ny “Fondation de France [3]” tamin'ity taona 2007 ity:

The young Egyptian blogger Kareem Amer is the laureate in the Cyber-dissident category. The 23-year-old was sentenced to four years in jail for criticism posted on his blog of President Hosni Mubarak and of the Islamist grip on the country’s universities.

Ilay bilaogera Ejipsiana Kareem Amer no mendrika tamin'ny sokajy Cyber-dissident. Voasazy higadra efa-taona an-tranomaizina ity lehilahy 23 taona ity noho ny fanakianana nalefany tao amin'ny bilaogin'ny Filoha Hosni Mubarak sy ny fifikirana Islamista any amin'ireo oniversite ao amin'ny firenena.

Tamin'ny 14 Martsa 2007, voatendry tamin'ny iray tamin'ireo fifaninanana loka faha-7 fanao isan-taona momba ny Fahalalaham-pitenenana  [4] ihany koa i Kareem.