- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Navoaka ny fonja i Monem

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Afaka ilay bilaogera Ejipsiana sady mpanao gazety Abdel Monem Mahmoud [1]. “Tonga tao an-tranony tany Alexandria i Monem, tsy ampy ora roa izay, rehefa navotsotry ny polisy,” hoy ny fanambarana iray navoaka tao amin'ny tranokala Brothers English¬†nahitana saripika vao haingana ahitana an'i Monem mitsiky eo afovoan'ny rainy sy ny namany [2] .

” Vao avy nifampiresaka tamin'i Monem tamin'ny finday aho, navoakan'ny mpitandro ny filaminana ihany izy tamin'ny 2 ora maraina ny 2 Jona 2007 rehefa nohadihadiana nandritra ny ora maro momba ny bilaoginy sy ny bilaogera. Azoko antoka fa hahalala vaovao bebe kokoa amin'ny antsipiriany avy amin'i Monem isika, ”¬†hoy i Alaa Abd El Fattah nanoratra tao amin'ny bilaogin'ny fanentanana Afaho i Monem [3] .

Niahiahy [4] momba ny fiarovana [5] an'i Monem ny ekipa fanentanana Afaho i Monem raha toa ka nanjavona izy taorian'ny nanafahana azy tany amin'ny fonjan'i Tora ao Kairo.