Navoaka ny fonja i Monem

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Afaka ilay bilaogera Ejipsiana sady mpanao gazety Abdel Monem Mahmoud. “Tonga tao an-tranony tany Alexandria i Monem, tsy ampy ora roa izay, rehefa navotsotry ny polisy,” hoy ny fanambarana iray navoaka tao amin'ny tranokala Brothers English nahitana saripika vao haingana ahitana an'i Monem mitsiky eo afovoan'ny rainy sy ny namany .

” Vao avy nifampiresaka tamin'i Monem tamin'ny finday aho, navoakan'ny mpitandro ny filaminana ihany izy tamin'ny 2 ora maraina ny 2 Jona 2007 rehefa nohadihadiana nandritra ny ora maro momba ny bilaoginy sy ny bilaogera. Azoko antoka fa hahalala vaovao bebe kokoa amin'ny antsipiriany avy amin'i Monem isika, ” hoy i Alaa Abd El Fattah nanoratra tao amin'ny bilaogin'ny fanentanana Afaho i Monem .

Niahiahy momba ny fiarovana an'i Monem ny ekipa fanentanana Afaho i Monem raha toa ka nanjavona izy taorian'ny nanafahana azy tany amin'ny fonjan'i Tora ao Kairo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.